1{Pouk Davidov, ko je bil v votlini. Molitev.} Z glasom svojim kličem h GOSPODU, z glasom svojim milo prosim GOSPODA,
1[Vavaka ataon'izay foin'ny sakaizany sady enjehin'ny fahavalony] Maskila nataon'i Davida tamin'izy tao anaty lavaka. Fivavahana. Ny feoko no itarainako amin'i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin'i Jehovah.
2pred njim izlivam skrbi svoje, stisko svojo oznanjam pred njim.
2Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.
3Ko je omagoval moj duh v meni, takrat si ti poznal stezo mojo. Na poti, po kateri sem hodil, so mi skrivaj nastavili zanko.
3Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin'ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy.
4Ozri se na desno in poglej: ni ga, ki bi me poznal; izginilo mi je vsako zavetje, ni ga, ki bi skrbel za dušo mojo.
4Jereo eo an-kavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko.
5K tebi kličem, GOSPOD, govoreč: Ti si zavetje moje, delež moj v deželi živečih.
5Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin'ny tanin'ny velona.
6Poslušaj vpitje moje, ker ponižan sem silno, otmi me preganjalcev mojih, ker močnejši so od mene.Izpelji iz zapora dušo mojo, da hvalim ime tvoje; tedaj me bodo obdali pravični, ko mi izkažeš dobroto.
6Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin'ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.Avoahy hiala amin'ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.
7Izpelji iz zapora dušo mojo, da hvalim ime tvoje; tedaj me bodo obdali pravični, ko mi izkažeš dobroto.
7Avoahy hiala amin'ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.