Slovenian

Malagasy

Psalms

144

1{Davidov.} Hvaljen bodi GOSPOD, skala moja, ki vadi roke moje za boj, prste moje za vojsko:
1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny nanambinany ny mpanjaka, ary filazana ny mahatsinontsinona ny olombelona sy ny soa hitan'ny mpanompon'Andriamanitra] Nataon'i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,
2milost moja in grad moj, visoka trdnjava moja in rešitelj moj, ščit moj in zavetje, kamor pribegam, ki mi podložno dela ljudstvo moje!
2Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy
3GOSPOD, kaj je človek, da ti je v čislu, sin smrtnikov, da se meniš zanj?
3Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak'olombelona, no iheveranao azy? [Heb. ahafantaranao]
4Človek je podoben dihu, dnevi njegovi so kakor mimogredočega senca.
4Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.
5GOSPOD, nagni nebesa svoja ter stopi doli, dotakni se gorá, in se bodo kadile.
5Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.
6Strelo zaženi in razkropi jih, izstreli pšice svoje in zbegaj jih.
6Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;
7Iztegni roko svojo z višave, reši me in otmi me iz mnogih vodá, iz roke tujcev.
7Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin'ny rano be, Dia amin'ny tanan'ny hafa firenena,
8Njih usta govore ničevost in njih desnica je lažnivosti desnica.
8Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.
9Bog, novo pesem ti bom pel, na deseterostrunje ti psalme prepeval,
9Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin'ny valiha tory folo no hankalazako Anao,
10tebi, ki daješ rešitev kraljem, otimlješ Davida, hlapca svojega, pogubnega meča.
10Izay manome famonjena ho an'ireo mpanjaka, Sady mamonjy an'i Davida mpanompony tsy ho voan'ny sabatra mandratra.
11Reši me in otmi me iz roke tujcev, katerih usta govoré ničevost, in njih desnica je lažnivosti desnica.
11Afaho aho, ka vonjeo amin'ny tanan'ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;
12Da bodo sinovi naši kakor rastline, dobro zrejene v nežni dobi svoji, in hčere naše kakor vogelni stebri, obdelani po zidavi svetišča;
12Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy.
13žitnice naše da bodo polne in bodo dajale mnogoteren živež, naše ovce da tisočero rodevajo, desettisočkrat da bodo pomnožene na pašnikih naših,
13Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;
14in goved naša breja; nič napada, nič predaje, nič jadikovanja da ne bode v ulicah naših!Blagor ljudstvu, ki se mu tako godi, blagor ljudstvu, čigar Bog je GOSPOD.
14Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny.
15Blagor ljudstvu, ki se mu tako godi, blagor ljudstvu, čigar Bog je GOSPOD.
15Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny.