1{Hvalnica Davidova.} Poviševati te hočem, Bog moj in Kralj, in slaviti ime tvoje vedno in vekomaj.
1[Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpanjaka be indrafo] Fideran'i Davida. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.
2Vsak dan te bom slavil in hvalil ime tvoje vedno in vekomaj.
2Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.
3Velik je GOSPOD in hvale vreden jako in velikosti njegove ni preiskati.
3Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany .
4Rod naj rodu slavi dela tvoja in oznanjajo naj junaške čine tvoje.
4Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.
5Lepoto in slavo tvojega veličastva in čudovite stvari tvoje bom premišljeval.
5Ny lazan'ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
6In moč strašnih del tvojih naj slavé; in velika dela tvoja bom pripovedoval.
6Ny herin'ny asanao mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.
7Spomin obile dobrote tvoje naj vre iz njih in o pravičnosti tvoji naj glasno pojó.
7Hanonona ny fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.
8Milosten in usmiljen je GOSPOD, počasen v jezo in velik v milosti;
8Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
9dobrotljiv je GOSPOD vsem in usmiljenje njegovo gre čez vsa dela njegova.
9Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra.
10Hvalijo te naj, GOSPOD, vsa dela tvoja, in slavé te naj tisti, ki jim izkazuješ milost.
10Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao.
11Slavo kraljestva tvojega naj razglašajo in govoré o mogočnosti tvoji,
11Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,
12da oznanijo sinom človeškim slavne čine njegove in slavo in lepoto njegovega kraljestva.
12Mba hampahafantarina ny zanak'olombelona ny herinao Sy ny haben'ny voninahitry ny fanjakanao. [Heb. heriny][Heb. fanjakany]
13Kraljestvo tvoje je vseh vekov kraljestvo in gospostvo tvoje od roda do roda.
13Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.
14GOSPOD podpira vse, ki padajo, in kvišku pomaga vsem potlačenim.
14Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
15Vseh oči zaupno gledajo vate, in ti jim daješ njih jed o pravem času;
15Ny mason'izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin'ny fotoany.
16roko svojo odpiraš in sitiš, karkoli živi, po volji.
16Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.
17Pravičen je GOSPOD na vseh potih svojih in milostiv v vseh svojih delih.
17Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.
18Blizu je GOSPOD vsem, ki ga kličejo, vsem, ki ga kličejo v resnici.
18Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
19Voljo izpolnjuje njim, ki se ga bojé, vpitje njih sliši in jih rešuje.
19Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
20GOSPOD hrani vse, kateri ga ljubijo, vse brezbožnike pa pogublja.Hvalo GOSPODOVO naj torej govore usta moja, in vse meso naj slavi sveto ime njegovo vedno in vekomaj!
20Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.
21Hvalo GOSPODOVO naj torej govore usta moja, in vse meso naj slavi sveto ime njegovo vedno in vekomaj!
21Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.