1{Načelniku godbe; kakor ‚Košuta jutranje zarje‘. Psalm Davidov.} Bog moj, Bog moj, zakaj si me zapustil? Daleč si od rešitve moje, od stoka mojega besed.
1[Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny fanjakan'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.
2O Bog moj, kličem po dnevi, a ne odgovarjaš, tudi po noči, in ni mi pokoja.
2Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
3Ti si vendar svet, ki stoluješ nad slavospevi Izraela.
3Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.
4V tebe so upali očetje naši, upali so, in osvobodil si jih.
4Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
5K tebi so vpili, in oteti so bili, v tebe so upali, in niso bili osramočeni.
5Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
6Jaz pa sem črv in ne mož, poroga ljudem in zaničevan od ljudstva.
6Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.
7Vsi, ki me vidijo, me zasmehujejo, režé se in z glavo majó:
7Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
8Zanašal se je na GOSPODA! Ta naj ga reši, otme ga naj, ker ima veselje nad njim!
8Ankino amin'i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]
9Saj ti si, ki si me potegnil iz materinega telesa, vdahnil si mi upanje pri prsih matere moje.
9Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko;
10Nate sem oprt od rojstva, od telesa matere moje si Bog moj mogočni ti.
10Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
11Ne bivaj daleč od mene, ker je blizu stiska, ker ni pomočnika.
11Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
12Obsuli so me junci mnogi, krepki junci basánski so me obstopili.
12Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy.
13Žrelo svoje odpirajo zoper mene kakor lev zgrabljiv in rjoveč.
13Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
14Kakor voda se razlivam in vse kosti moje se razklepajo; srce moje je podobno vosku, taja se v osrčju mojem.
14Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
15Moč moja je usehnila, da je kakor čepinja, in jezik moj se prijemlje nébesa mojega, in v prah smrti si me položil.
15Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
16Kajti obdali so me psi, hudobnikov krdelo me je obkrožilo, prebodli so moje roke in noge moje.
16Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy]
17Seštel bi lahko vse svoje kosti; oni pa gledajo, všečno se ozirajo v me.
17Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
18Oblačila moja delé med seboj in za suknjo mojo mečejo kocko.
18Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
19Ti pa, GOSPOD, ne bivaj daleč, moč moja, hiti mi na pomoč!
19Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
20Otmi meču dušo mojo, iz moči psa edino mojo.
20Vonjeo amin'ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa.
21Reši me iz žrela levovega! Da, izpred rogovja divjih bivolov si me uslišal.
21Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga. [Na: teo amin'ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho]
22Oznanjati hočem ime tvoje bratom svojim, sredi zbora te bom hvalil:
22Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao.
23Vi, ki se bojite GOSPODA, hvalite ga; vse seme Jakobovo, slavite ga, in boj se ga vse seme Izraelovo!
23Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.
24Ker ni zaničeval in ni mrzel trpljenja trpinovega, tudi ni skril obličja svojega pred njim; temuč ko je vpil do njega, ga je uslišal.
24Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
25Od tebe izvira hvalospev moj v zboru velikem; obljube svoje bom opravljal vpričo njih, ki se ga boje.
25Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.
26Jedli bodo krotki in se nasitili, hvalili bodo GOSPODA, kateri ga iščejo; živi naj srce vaše vekomaj!
26Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
27Spomnijo se in izpreobrnejo se h GOSPODU vsi kraji zemlje, in klanjale se bodo pred teboj vse družine poganskih narodov.
27Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.
28Kajti GOSPODOVO je kraljestvo in on vlada nad narodi.
28Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.
29Jedli bodo in priklanjali se vsi zemlje bogatini; pred njim bodo padali vsi, ki gredo v prah in ki ne morejo ohraniti duše svoje v življenju.
29Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.[Heb: matavy]
30Potomstvo mu bo služilo; pripovedovali bodo o Gospodu prihodnjemu rodu.Pridejo in oznanjali bodo pravičnost njegovo ljudstvu, ki se porodi, da je to izvršil.
30Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
31Pridejo in oznanjali bodo pravičnost njegovo ljudstvu, ki se porodi, da je to izvršil.
31Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.