Slovenian

Malagasy

Psalms

33

1Radujte se, pravični, v GOSPODU, poštenim se spodobi hvalno petje.
1[Fiderana an'Andriamanitra Mpitondra izao rehetra izao sy Mpiaro ny olona] Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.
2Slavite GOSPODA s citrami, z desetostrunjem mu pojte psalme.
2Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.
3Pojte mu novo pesem, krepko udarjajte na strune z radostnim vpitjem.
3Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana.
4Ker prava je beseda GOSPODOVA in vsako delo njegovo se vrši v zvestobi.
4Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
5Pravičnost ljubi in sodbo, milosti GOSPODOVE polna je zemlja.
5Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany.
6Z besedo GOSPODOVO so ustvarjena nebesa in z dihom ust njegovih vsa vojska nebeška.
6Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
7Morske vode zbira kakor na kup in v shrambe deva valove.
7Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
8Boj se GOSPODA vsa zemlja, pred njim naj trepetajo vsi prebivalci sveta.
8Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.
9Kajti on je rekel, in se je zgodilo, on je zapovedal, in stalo je trdno.
9Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
10GOSPOD uničuje narodov sklepe, misli ljudstev podira.
10Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
11Sklep GOSPODOV pa ostane vekomaj, misli srca njegovega od roda do roda.
11Ny fisainan'i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
12Blagor narodu, čigar Bog je GOSPOD, ljudstvu, katero si je izvolil v dediščino.
12Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
13Iz nebes gleda GOSPOD, vidi vse sinove človeške.
13Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy;
14Z mesta prebivališča svojega gleda na vse prebivalce zemlje,
14Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany,
15on, ki obrazuje srca njih vseh, ki pazi na vsa njih dela.
15Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
16Ni ga kralja, ki bi se rešil z množico krdel, junak se ne otme z veliko močjo.
16Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny.
17Vara se, kdor se upa s konjem rešiti, velika moč njegova ga na varno ne odnese.
17Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny.
18Glej, GOSPOD vpira oko svoje na njé, ki se ga bojé, na njé, ki čakajo milosti njegove;
18Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
19da reši smrti njih dušo in jih žive ohrani v lakoti.
19mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
20Duša naša čaka GOSPODA, on je pomoč naša in ščit naš.
20Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
21Kajti v njem se razveseli srce naše, ker smo zaupali njegovemu svetemu imenu.Milost tvoja, o GOSPOD, bodi nad nami, kakor te zaupno čakamo.
21Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika.Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
22Milost tvoja, o GOSPOD, bodi nad nami, kakor te zaupno čakamo.
22Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.