1{Načelniku godbe. Psalm hlapca GOSPODOVEGA, Davida.} Sodba o grehotnosti brezbožnika se glasi v srca mojega globini: Pred očmi njegovimi ni strahu Božjega.
1[Ny maharatsy ny miala amin'Andriamanitra, ary ny mahatsara ny mihavana aminy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.[Na: Misy filazana ny ao am-pon'ny ratsy fanahy manao hoe:]
2Kajti pregreha se mu sladká v oči, da se ne bo našla krivica njegova in sovražila.
2Fa miarahaba tena izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
3Besede ust njegovih so zloba in zvijača, opustil je razum, da bi delal dobro.
3Ny tenin'ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
4Zlobo izmišlja v postelji svoji, stopa na pot, ki ni dobra, hudo se mu ne gnusi.
4Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
5GOSPOD, do nebes sega milost tvoja, zvestoba tvoja do najvišjih oblakov.
5Jehovah ô, mipaka amin'ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
6Pravičnost tvoja je kakor gore Božje, sodbe tvoje kakor velika globočina; ljudi in živali ohranjaš, GOSPOD.
6Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,[Heb: tendrombohitr'Andriamanitra]
7Kako dragocena je milost tvoja, Bog, in sinovi človeški pribegajo v senco peruti tvojih.
7Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.
8Nasičujejo se od obilosti hiše tvoje, in iz reke sladkosti svoje jih napajaš.
8Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
9Kajti pri tebi je življenja vir, v svetlobi tvoji vidimo svetlobo.
9Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
10Ohrani milost svojo njim, ki te poznajo, in pravičnost svojo tistim, ki so pravega srca.
10Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo.
11Ne zadeni me prevzetnega noga in roka krivičnih naj me ne prežene.Glej, tam so padli hudodelniki, na tleh ležé in ne morejo vstati!
11Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
12Glej, tam so padli hudodelniki, na tleh ležé in ne morejo vstati!
12Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.