1{Psalm Davidov.} Ne srdi se zaradi hudobnežev, ne zavidaj njim, ki delajo krivico.
1[Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
2Ker hitro se pokosé kakor trava in zvenejo kakor bujno zelenje.
2Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
3Upaj v GOSPODA in delaj dobro, prebivaj v deželi in goji zvestobo.
3Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.
4In razveseljuj se v GOSPODU, in on ti dá, česar želi srce tvoje.
4Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.
5Zvrni na GOSPODA žitja svojega pot in upaj vanj; on vse prav stori.
5Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
6In stori, da zasije kakor luč pravičnost tvoja in pravica tvoja kakor opoldansko solnce.
6Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
7Molčé se naslanjaj na GOSPODA in čakaj ga strpljivo, ne srdi se zaradi njega, ki ima srečo na poti svoji, zaradi moža, ki izvršuje hude naklepe.
7Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy.
8Odjenjaj od jeze in pústi togoto, ne srdi se, ker bi le hudo storil.
8Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany.
9Zakaj hudodelniki bodo iztrebljeni, čakajoči pa GOSPODA bodo podedovali deželo.
9Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany.
10Še malo namreč, in brezbožnika ne bo več, in ogledoval boš mesto njegovo, a njega ne bode.
10Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.
11Krotki pa bodo podedovali deželo in se radovali v obilosti miru.
11Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana.
12Brezbožnik hudo misli zoper pravičnega in škriplje z zobmi proti njemu.
12Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.
13Gospod pa se mu smeje, ker vidi, da prihaja dan njegov.
13Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
14Meč so potegnili brezbožni in lok svoj napeli, da podero ubožca in siromaka, da pobijejo tiste, ki pošteno živé.
14Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
15A njih meč jim predere srce in njih loki se zdrobe.
15Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
16Boljše je malo, kar ima pravičnik, nego velika bogastva brezbožnikov.
16Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.
17Kajti roke brezbožnih bodo strte, pravične pa podpira GOSPOD.
17Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
18GOSPOD pozna dneve popolnoma mu vdanih, in njih dediščina ostane vekomaj.
18Fantatr'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
19Ne bodo osramočeni ob hudem času in v dnevih lakote bodo nasičeni.
19Tsy mba ho menatra amin'ny andro fahoriana ireny; ary amin'ny taona mosarena dia ho voky izy.
20Toda brezbožni poginejo, in sovražniki GOSPODA bodo kakor krasota livad, minevajo in izginejo kakor dim.
20Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.
21Napósodo jemlje brezbožnik, a ne vrne, pravičnik pa je milosten in darežljiv.
21Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.[Na: tsy mahonitra]
22Kajti blagoslovljenci Božji podedujejo deželo, katere pa prokletstvo Njegovo zadene, bodo iztrebljeni.
22Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
23GOSPOD utrjuje stopinje vrlega moža in pot njegova Mu je po volji.
23Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.
24Kadar pade, ne obleži, ker GOSPOD podpira roko njegovo.
24Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.
25Mlad sem bil in sem se postaral, a nisem videl pravičnega zapuščenega, ne otrok njegovih prositi kruha.
25Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.
26Ves dan deli miloščino in posoja, in v blagoslovu je seme njegovo.
26Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.
27Odstopi od hudega in delaj dobro, in prebival boš v deželi vekomaj.
27Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.
28Kajti GOSPOD ljubi pravico in ne zapusti svetih svojih, na veke jih bo hranil; seme brezbožnikov pa se iztrebi.
28Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,
29Pravični podedujejo deželo in prebivali bodo večno v njej.
29Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay
30Pravičnega usta uče modrost in jezik njegov govori pravico.
30Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.
31V srcu njegovem je postava njegovega Boga, neomahljivi mu bodo koraki.
31Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.
32Brezbožnik zalezuje pravičnika in ga želi umoriti.
32Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
33A GOSPOD ga ne pusti v roki njegovi, tudi ga ne obsodi, ko ga bodo sodili.
33Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.
34Čakaj GOSPODA in drži se poti njegove, tedaj te poviša, da podeduješ deželo; ko bodo iztrebljeni brezbožni, boš videl.
34Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.
35Videl sem brezbožnika silovitega, in razprostiral se je kakor zeleneče drevo v domači zemlji.
35Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;
36In šel sem mimo, in glej, ni ga bilo več, in iskal sem ga, a ni ga bilo najti.
36Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
37Opazuj poštenega in glej pravičnega: res, bodočnost ima mož miru.
37Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an'ny olona tia fihavanana. [Na: taranaka][Na: Fa fiadanana no faran'izany olona izany]
38Prestopniki pa poginejo vsi skupaj, zarod brezbožnik se iztrebi.
38Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra.
39A rešitev pravičnih je od GOSPODA, on je njih zavetišče ob času stiske.In pomaga jim GOSPOD ter jih otimlje, otimlje jih brezbožnikov in jih rešuje, ker so pribegli v zavetje k njemu.
39Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy.Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
40In pomaga jim GOSPOD ter jih otimlje, otimlje jih brezbožnikov in jih rešuje, ker so pribegli v zavetje k njemu.
40Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.