1{Psalm Davidov, v spomin.} GOSPOD, v srdu svojem me ne pokori in v togoti svoji me ne kaznuj.
1[Fivavak'izay ory dia ory indrindra] Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
2Kajti pšice tvoje so se zabodle vame in težko me tlači roka tvoja.
2Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao,
3Nič zdravega ni na mesu mojem zavoljo srda tvojega, miru ni v kosteh mojih zavoljo greha mojega.
3Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
4Zakaj krivice moje mi presezajo glavo, kakor težko breme me tlačijo, pretežke so zame.
4Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
5Rane moje smrdé in se gnojé, zavoljo nespameti moje.
5Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.
6Mučim se in sključen sem jako, ves dan hodim v žalni obleki.
6Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
7Kajti ledja moja so polna prisada in nič ni zdravega na mesu mojem.
7Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
8Oslabljen sem in potrt presilno, tulim od stokanja svojega srca.
8Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko.
9Gospod, pred teboj je vse hrepenenje moje in zdihovanje moje ti ni skrito.
9Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
10Srce moje polje, zapustila me je moja krepkost, tudi luč mojih oči mi je zamrla.
10Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy.
11Ljubljenci moji in prijatelji moji so stopili vstran zavoljo nadloge moje, in sorodniki moji stoje oddaleč.
11Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.
12Tisti pa, ki mi prežé po življenju, mi stavijo zanke, in kateri iščejo nesreče moje, govoré o pogubi in izmišljajo ves dan zvijače.
12Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva.
13Jaz pa kakor glušec ne slišim in sem kakor mutec, ki ne odpre svojih ust.
13Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
14Res, postal sem kakor on, ki ne sliši in ki mu ni dokazov v ustih.
14Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
15Kajti tebe čakam, o GOSPOD, ti zame odgovoriš, Gospod Bog moj.
15Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.
16Ker rekel sem: Da se pač ne radujejo nad menoj! Ko omahuje noga moja, se povzdigujejo proti meni.
16Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.
17Zdajpazdaj padem, in bolečina moja mi je vedno pred očmi.
17Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
18Kajti krivico svojo pripoznavam in greh moj me skrbi.
18Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako. [Na: Malahelo]
19Neprijatelji moji pa so čvrsti in močni, in množijo se, kateri me sovražijo iz krivih vzrokov.
19Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
20In vračajoč hudo za dobro, mi nasprotujejo, zato ker hodim za dobrim.
20Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara.
21Ne zapústi me, o GOSPOD, Bog moj, ne bivaj daleč od mene!Hiti mi na pomoč, o GOSPOD, rešenje moje!
21Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
22Hiti mi na pomoč, o GOSPOD, rešenje moje!
22Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.