Slovenian

Malagasy

Psalms

48

1{Pesem. Psalm sinov Korahovih.} Velik je GOSPOD in visoke hvale vreden v mestu Boga našega, na gori svetosti svoje.
1[Ny tsy nahazoan'ny fahavalo hamely ny tanànan'Andriamanitra, Mpanjaka lehibe] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.
2Krasno se dviga, veselje vse zemlje je gora Sion, na severni strani, mesto Kralja velikega.
2Avo mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe.
3Znan je Bog v dvorih njegovih kot grad visok.
3Andriamanitra ao an-tranon'andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
4Kajti glej, kralji so se zbrali, pripodili so se skupaj,
4Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
5a videli so in so ostrmeli, zmedli so se in zbežali urno.
5Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
6Trepet jih je obšel tam, bolečina kakor porodnico.
6Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka.
7Z vzhodnim vetrom razbijaš ladje tarsiške.
7Amin'ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon'i Tarsisy.
8Kakor smo slišali, tako smo videli v mestu GOSPODA nad vojskami, v mestu Boga našega: Bog ga utrjuje na veke. (Sela.)
8Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao an-tanànan'Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay.
9Premišljali smo milost tvojo, o Bog, sredi svetišča tvojega.
9Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin'ny tempolinao.
10Kakor ime tvoje, tako je slava tvoja do krajev zemlje; pravičnosti je polna desnica tvoja.
10Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin'ny faran'ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
11Veseli se naj gora Sion, radostno naj poskakujejo hčere Judove zavoljo sodb tvojih.
11Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin'Joda, noho ny fitsaranao.
12Obhodite Sion in obkrožite ga, štejte stolpe njegove!
12Manodidina an'i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,
13Ogledujte natančno trdno zidovje njegovo, preglejte palače njegove, da boste mogli pripovedovati prihodnjemu rodu!Zakaj ta Bog je Bog naš vselej in vekomaj. Ta nas bo vodil preko smrti.
13Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon'andrianany, mba hambaranareo amin'ny taranaka mandimby.Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza.
14Zakaj ta Bog je Bog naš vselej in vekomaj. Ta nas bo vodil preko smrti.
14Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza.