1{Nauk, Asafov.} Zakaj, o Bog, nas zametaš vedno? zakaj se kadi jeza tvoja zoper čredo paše tvoje?
1[Fitarainana tamin'Andriamanitra, satria mafy ny fanenjehana, sady nosimbàna ny tempoly] Maskila nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin'ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
2Spomni se občine svoje, ki si jo pridobil oddavnaj in odkupil za rod posesti svoje, gore Sionske, ki si na njej prebival!
2Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
3Prispej k podrtinam večnim! Vse zlo je storil sovražnik v svetišču.
3Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin'ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin'ny fitoerana masina dia simban'ny fahavalo avokoa.
4Rjuli so nasprotniki tvoji sredi zbirališča tvojega, postavili so svoja znamenja za znamenja.
4Nierona tao anatin'ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy.
5Bilo je videti, kakor da vsak dviga kvišku sekiro v goščavi gozdni.
5Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka;
6In zdaj razbijajo rezbe njegove vse s sekirami in s kladivi.
6Ary amin'izao ny rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta.
7Zažgali so svetišče tvoje, do tal so oskrunili prebivališče tvojega imena.
7Efa nandoro ny fitoeranao masina tamin'ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin'ny tany ny fonenan'ny anaranao.[Heb: Nolotoiny hatramin'ny tany]
8Rekli so v srcu svojem: Ugonobimo jih vse vkup! Požgali so vsa zbirališča Boga mogočnega v deželi.
8Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon'Andriamanitra eran'ny tany rehetra izy.
9Znamenj naših ne vidimo, ni več proroka, in ni ga med nami, ki bi vedel, doklej –?
9Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan'izao.
10Doklej, o Bog, bo zasramoval stiskalec, večno li bo zaničeval sovražnik ime tvoje?
10Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian'ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?
11Zakaj odtezaš roko svojo in desnico svojo? Potegni jo iz nedrij svojih in naredi konec!
11Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy amin'ny tratranao, ka mandringàna.
12Vendar pa je Bog kralj moj že od nekdaj, ki dela rešitve na zemlji.
12Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin'ny tany Izy.
13Ti si razklal v moči svoji morje, razbil si zmajem glave na vodah.
13Nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan'ny dragona tao anaty rano Hianao.
14Ti si raztreskal leviatanu glave, dal si ga za jed rodu, zverinam puščave.
14Hianao nanorotoro ny lohan'ny mamba ka nanome azy hohanin'izay firenena any an-efitra.
15Ti si odprl studenec in potok, ti si posušil reke neusahljive.
15Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.
16Tvoj je dan, tvoja tudi noč, ti si napravil luč njeno in solnce.
16Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.
17Ti si določil vse meje zemlji, poletje in zimo napravil si ti.
17Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.
18Spomni se vendar, da je sovražnik sramotil GOSPODA in da ljudstvo nespametno zaničuje ime tvoje.
18Tsarovy izao: Manaratsy an'i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.
19Ne daj tisti zveri duše grlice svoje, krdela ubožcev svojih ne zabi vekomaj.
19Aza manolotra ny ain'ny voromailalanao ho an'ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain'ny olo-mahantranao.
20Ozri se na zavezo, ker po kotih dežele je polno bivališč silovitosti.
20Hevero ny fanekena; fa feno fonenan'ny fandozana ny fitoera-maizina amin'ny tany.
21Ponižanec naj se ne vrne osramočen, ubožec in siromak naj hvalita ime tvoje.
21Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.
22Vstani, o Bog; potegni se za pravdo svojo, spomni se zasramovanja, ki ti ga delajo nespametneži vsak dan.Ne pozabi glasu sovražnikov svojih, ropota vzpenjajočih se zoper tebe, ki se vedno vzdiguje kvišku.
22Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian'ny adala Anao isan'andro.Aza manadino ny feon'ny rafinao, dia ny fitabataban'ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.
23Ne pozabi glasu sovražnikov svojih, ropota vzpenjajočih se zoper tebe, ki se vedno vzdiguje kvišku.
23Aza manadino ny feon'ny rafinao, dia ny fitabataban'ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.