1Zvino Ishibhohosheti mwanakomana waSauro, akati anzwa kuti Abhineri wakange afa paHebhuroni, maoko ake akashaiwa simba, navaIsiraeri vose vakavhunduka.
1[Ny namonoana an'Isboseta, sy ny namalian'i Davida ireo namono azy kosa] Ary nony ren'ny zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.
2Zvino mwanakomana waSauro wakange ana varume vaviri vakanga vari vakuru vamapoka; zita romumwe rakanga riri Bhaana, zita romumwe Rekabhu; vaiva vana vaRimoni muBheeroti, wavana vaBhenjamini; (nokuti Bheeroti rakanga richiverengerwawo kuna Bhenjamini;
2Ary nisy roa lahy, lehiben'ny mpitohan'ny zanakalahin'i Saoly, Bana no anaran'ny iray, ary Rekaba no anaran'ny iray, samy zanak'i Rimona Berotita tamin'ny taranak'i Benjamina (fa Berota koa natao ho isan'ny an'i Benjamina;
3vaBheeroti vakatizira Gitaimu, vakava vatorwapo kusvikira nhasi).
3ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany).
4Zvino Jonatani mwanakomana waSauro, wakange ano mwanakomana wakaremara pamakumbo ake. Iye wakange ava namakore mashanu panguva yokusvika kweshoko rokuurawa kwaSauro naJonatani paJezereeri, mureri wake akamusimudza akatiza naye; zvino wakati achikurumidza kutiza, mwana akawa, akaremara. Zita rake rakanga riri Mefibhosheti.
4Ary Jonatana, zanak'i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin'i Saoly sy Jonatana; ary nentin'ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin'ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany.
5Vana vaRimoni muBheeroti, vanaRekabhu naBhaana, vakaenda, vakasvika paimba yaIshibhosheti zuva richipisa, iye achizorora masikati.
5Ary Rekaba sy Bana, zanak'i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao an-tranon'Isboseta, tamin'ilay izy nandriandry tamin'ny antoandro iny.
6Vakapinda mukati meimba, vachiita sokuda kutora gorosi, vakamubaya nomudumbu; Rekabhu naBhaana ndokutiza.
6Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin'ny kibony, dia lasa nandositra.
7nekuti vakanga vapinda mumba make mokuvata, vakamubaya, vakamuuraya, vakagura musoro wake, ndokutora musoro wake, vakaenda nenzira yeArabha usiku hwose.
7Fa raha niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin'ny fandriany tao amin'ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay izy.[Heb. Arabà]
8Vakaisa musoro walshibhosheti kuna Dhavhidhi paHebhuroni, vakati kuna mambo, Hoyo musoro waIshibhosheti mwanakomana waSauro muvengi wenyu, wakange achitsvaka kukuurayai; Jehovha wakatsiva ishe wangu mambo nhasi pamusoro paSauro navana vake.
8Ary nitondra ny lohan'Isboseta tany amin'i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan'Isboseta, zanak'i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao; fa Jehovah efa namaly an'i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin'ny mpanjaka tompoko.
9Dhavhidhi akapindura Rekabhu naBhaana munin'ina wake, vana vaRimoni muBheeroti, akati kwavari, NaJehovha mupenyu, wakadzikunura mweya wangu panjodzi dzose,
9Ary hoy Davida tamin'i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak'i Rimona Berotita: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny fahoriana rehetra,
10musi wandakaudzwa nomumwe, achiti, Tarirai, Sauro afa, achifunga kuti wauya neshoko rakanaka, ndakamubata, ndikamuuraya paZikiragi; ndiwo waiva mubayiro wandakamupa pamusoro peshoko rake.
10ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga. hanomezako azy ny valin'ny teny mahafaly nentiny;[Na: dia olona nampoizina homeko valim-pitia noho]
11Ndoda kana vanhu vakaipa vauraya munhu wakarurama hake mumba make, avete panhovo dzake, handingarevi ropa rake pamaoko enyu zvino, ndikakubvisai panyika here?
11koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin'ny tany intsony va ianareoAry Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan'ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan'Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan'i Abnera tao Hebrona.
12Ipapo Dhavhidhi akaraira majaya vakavauraya vakavagura maoko avo netsoka dzavo, vakavaturika kurutivi rwedziva paHebhuroni. Asi vakatora musoro walshibhosheti, vakauviga muhwiro hwaAbhineri paHebhuroni.
12Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan'ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan'Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan'i Abnera tao Hebrona.