1Zvino marudzi ose avaIsiraeri akauya kuna Dhavhidhi paHebhuroni, akataura akati, Tarirai tiri mafupa enyu nenyama yenyu.
1[Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra, sy ny nahazoany an'i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany] Dia tonga tao amin'i Davida tao Hebrona ny firenen'Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
2Kare Sauro achiri mambo wedu, ndimi maitungamirira vaIsiraeri muchibuda navo nokupinda navo; Jehovha akati kwamuri, Iwe uchafudza vanhu vangu vaIsiraeri.
2Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
3Naizvozvo vakuru vose vaIsiraeri vakauya kuna mambo paHebhuroni, mambo Dhavhidhi akaita sungano paHebhuroni pamberi paJehovha; ivo vakazodza Dhavhidhi, kuti ave mambo waIsiraeri.
3Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy.
4Dhavhidhi wakange ana makore makumi matatu pakutanga kwake kubata ushe, akabata ushe makore makumi mana.
4Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.
5Akabata ushe paHebhuroni pavaJudha makore manomwe nemwedzi mitanhatu; akabatawo ushe paJerusaremu makore makumi matatu namatatu pavaIsiraeri navaJudha vose.
5Tao Hebrona no nanjakany tamin'ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
6lye mambo navanhu vake vakaenda Jerusaremu kundorwa navaJebhusi vakanga vagere panyika iyo; ivo vakataura naDhavhidhi, vakati, Haungapindi pano, mapofu nezvirema vangakudzinga, nekuti vakati, Dhavhidhi haangapindi pano.
6Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.[Na: ary ny heviny tamin'izany dia toy ny manao hoe:]
7Kunyange zvakadaro Dhavhidhi wakakunda nhare yeZiyoni; ndiro guta raDhavhidhi.
7Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).
8Dhavhidhi akati nezuva iro, Ani nani unorova vaJebhusi, ngaakwire kumugero wemvura, auraye zvirema namapofu, vanovengwa nomweya waDhavhidhi. Naizvozvo vanoti, Mapofu nezvirema havangapindi mumba.
8Ary hoy Davida tamin'izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin'ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan'ny fon'i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.
9Dhavhidhi akagara munhare, akaitumidza guta raDhavhidhi. Dhavhidhi akavaka kunhivi dzose, kubva paMiro, zvichipinda mukati.
9Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan'i Davida. Ary narafitr'i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin'ny ao anatiny.[Heb. fiarovana]
10Dhavhidhi akaramba achikura, nekuti Jehovha, Mwari wehondo, wakange anaye.
10Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
11Hiramu mambo weTire akatuma nhume kuna Dhavhidhi namatanda emisidhari, navavezi, navavaki, vakavakira Dhavhidhi imba.
11[Ny amin'ny lapan'i Davida, sy ny vadiny aman-janany] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an'i Davida ireo.
12Zvino Dhavhidhi akaziva kuti Jehovha wakange amusimbisa kuti ave mambo waIsiraeri, uye kuti wakange akudza ushe hwake nokuda kwavanhu vake Isiraeri.
12Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
13Dhavhidhi wakati abva Hebhuroni, akazvitorera vamwe varongo navakadzi paJerusaremu, Dhavhidhi akaberekerwa vanakomana navanasikana.
13Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak'i Davida.
14Ndiwo mazita avakaberekerwa Jerusaremu: Shamua, naShobhabhu, naNatani, naSoromoni,
14Ary izao no anaran'ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
15naIbhari, naErishua, naNefegi, naJafia,
15sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia
16naErishama, naEriadha, naErifereti.
16sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.
17Zvino vaFirisitia vakati vachinzwa kuti Dhavhidhi wakange azodzwa kuti ave mambo wavaIsiraeri, vaFirisitia vose vakakwira kundotsvaka Dhavhidhi; Dhavhidhi akazvinzwa, akaburukira kunhare.
17[Ny nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy.
18VaFirisitia vakanga vasvika, vakapararira pamupata weRefaimu.
18Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
19Dhavhidhi akabvunza Jehovha, akati, Ndokwira kundorwa navaFirisitia here? Muchavaisa mumaoko angu here? Jehovha akati kuna Dhavhidhi, Kwira, nekuti zvirokwazvo ndichaisa vaFirisitia mumaoko ako.
19Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
20Dhavhidhi akasvika paBhaari-perazimi, Dhavhidhi akavaparadzapo. Akati, Jehovha wakabudira vavengi vangu pamberi pangu, sokupwanya kwemvura. Naizvozvo akatumidza nzvimbo iyo Bhaari-perazimi.
20Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]
21Vakasiya zvifananidzo zvavo ipapo, Dhavhidhi navanhu vake vakazvibvisa.
21Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan'i Davida sy ny olony ireny.
22VaFirisitia vakauyazve, vakapararira pamupata weRefaimu.
22Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
23Zvino Dhavhidhi wakati achibvunza Jehovha, iye akati, Usakwira, asi upote shure kwavo, ugovavamba napakatarisana nemiti yemimaribheri.
23Ary nanontany tamin'i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.
24Zvino kana uchinzwa kutinhira kokufamba pangara dzemiti yemimaribheri, unofanira kukurumidza, nekuti ndiJehovha wakutungamirira kundoparadza hondo yavaFirisitia.
24Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan'ny Filistina.Ary dia nanao araka ny nandidian'i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin'i Gazera izy.
25Dhavhidhi akaita sezvaakarairwa naJehovha; akaparadza vaFirisitia kubva paGebha kusvikira paGezeri.
25Ary dia nanao araka ny nandidian'i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin'i Gazera izy.