1Vana, teererai vabereki venyu muna Ishe; nekuti izvi zvakarurama.
1Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany.
2Kudza baba vako namai, unova murairo wekutanga une chivimbiso,
2Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
3kuti zvikunakire, uye urarame nguva refu panyika.
3mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16).
4nemwi madzibaba, musatsamwisa vana venyu; asi varerei pakuranga nekutsiura kwaIshe.
4Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.
5Varanda, teererai avo vari vatenzi panyama, nekutya nekudedera, nemoyo wakarurama sekuna Kristu;
5Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,
6kwete nekushandira maziso, sevafadzi vevanhu, asi sevaranda vaKristu, vanoita kuda kwaMwari kubva pamoyo;
6tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo,
7muchibata nechido chakanaka sekuna Ishe uye kwete kuvanhu;
7amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona,
8muchiziva kuti chinhu chipi nechipi chakanaka chinoitwa nemunhu umwe neumwe, uchachipiwa zvakadaro naIshe, kana wakasungwa kana wakasununguka.
8satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
9nemwi madzishe, itai zvinhu zvimwezvo kwavari, muchirega kuvhundudzira muchiziva kuti Ishe wenyuwo uri kumatenga; uye kwaari hakurangarirwi zvinoonekwa zvevanhu.
9Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.
10Pakupedzisira hama dzangu, simbai muna Ishe, nemusimba reukuru hwake.
10[Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
11Shongai zvombo zvose zvaMwari, kuti mugone kumirisana nemano adhiabhorosi.
11Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
12Nekuti hatirwisani nenyama neropa, asi neutongi, nemasimba, nemadzishe erima enyika ino, nemweya yetsvina yematenga.
12Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. [ Gr. lanitra]
13Saka torai zvombo zvose zvaMwari kuti mugone kuramba mumire pazuva rakaipa, maita zvose, mumire.
13Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
14Naizvozvo mirai zvivuno zvenyu zvakasungwa nechokwadi, makapfeka chidzitiro chechifuva chekururama,
14Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
15uye tsoka dzenyu dzakasungwa nekugadzirira kweevhangeri yerugare;
15ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;
16pamusoro pezvose matora nhovo yerutendo, yamungagona kudzima nayo miseve yose inopfuta yewakaipa.
16ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
17Torai ngowani yeruponeso, nemunondo weMweya, unova Shoko raMwari;
17Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
18munyengetere nguva dzose nemunyengetero wose nemukumbiro muMweya, muchirinda pazvinhu izvi nokutsungirira kose nekukumbirira vatsvene vose.
18ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra,
19uye kana ndiri ini, kuti shoko ripiwe kwandiri pakushamisa muromo wangu neushingi ndidudzire zvakavanzika zveevhangeri,
19ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara
20yandiri nhume yayo mumaketani; kuti mairi nditaure ndisingatyi, sezvandinofanira kutaura.
20(iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [ Gr. ambasadôra]
21Asi kuti imwi muzivewo zvakanangana neni, kuti ndinoitei, Tikiko hama inodikamwa, nemushumiri wakatendeka muna Ishe, uchakuzivisai zvinhu zvose;
21Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
22wandakamutuma kwamuri neshoko irori, kuti muzive zvakanangana nesu, uye anyaradze moyo yenyu.
22izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.
23Rugare kuhama, nerudo pamwe nerutendo zvinobva kuna Mwari Baba naIshe Jesu Kristu.
23Fiadanana anie ho an'ny rahalahy ary fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena.
24Nyasha ngadzive nevose vanoda Ishe wedu Jesu Kristu nekusingaperi. Ameni.
24Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena.