Shona

Malagasy

Isaiah

34

1Swederai, imwi marudzi avanhu, munzwe, teererai imwi vanhu, nyika ngainzwe, nezvose zvayo, pasi pose, nezvose zvinobudamo.
1[Ny hampijaliana ny fahavalon'ny Isiraely, indrindra fa Edoma, sy ny fahasambaran'ny navotan'i Jehovah] Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
2nekuti Jehovha akatsamwira marudzi ose, ane hasha nehondo dzawo dzose; akavaparadza chose, akavaisa pakuurawa.
2Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.[Heb. hatao herema]
3Vakaurawa vavo vacharaswa kunze, kunhuwa kwezvitunha zvavo kuchakwira, makomo achanyauswa neropa ravo.
3Ary izay voavono amin'ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon'ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon'ny ràny.
4Hondo dzose dzokudenga dzichanyakatika, denga rose richapetwa sorugwaro rwakapetwa; hondo dzaro dzose dzichaoma, sokuoma kwamashizha pamuzambiringa, uye seshizha rinooma pamuonde.
4Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy.
5nekuti munondo wangu wamwa ukaguta kudenga; tarirai uchaburukira pamusoro paEdhomu, napamusoro pavanhu vakatukwa neni, kuti vatongwe.
5Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy. [Heb. hatao herema]
6Munondo waJehovha uzere neropa, unobwinya namafuta, neropa ramakwayana nerembudzana, namafuta etsvo dzamakondobwe; nekuti Jehovha ane chibayiro chake paBhozira, nokubaya kukuru panyika yaEdhomu.
6Ny sabatr'i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny osilahy ary amin'ny fonomboan'ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin'ny tany Edoma.
7Nyati dzichawa pamwechete navo, nenzombe pamwechete nehandira; nyika yavo ichabatwa neropa, guruva ravo richazara namafuta.
7Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin'ny vantotr'omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
8nekuti Jehovha ane zuva rokutsiva, negore rokutsiva zvakaitirwa Ziyoni.
8Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an'i Ziona.
9Hova dzayo dzichashanduka namo, ,huruva rayo sariferi, nyika yavo ichaitwa namo inopfuta.
9Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
10Haingadzimwi usiku namasikati; utsi hwayo huchakwira nokusingaperi; richava dongo kusvikira kumarudzi namarudzi; hakuna munhu angapfuura noko nokusingaperi.
10Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
11Asi zvichava zvehukurwizi nenungu; zizi negunguvo zvichagaramo; achatambanudzirapo rwonzi rwokuparadza nechokururamisa chezvisina chinhu.
11Fa ho zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
12Vakuru vayo vachadanirwa kuushe, asi havangavipo; machinda ayo ose achava pasina.
12Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. [Heb. hiantso ny fanjakana]
13mhinzwa ichamera mudzimba dzamadzimambo ayo, hutumbambeva norukato munhare dzayo; huchava hugaro hwamakava, nenzvimbo yemhou.
13Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny trano fiarovany; Ary ho fonenan'ny amboadia sy fitoeran'ny ostritsa izy. [Heb.jakala]
14Zvikara zvomusango zvichasangana namapere, mweya wakaipa uchadana shamwari yawo; zvirokwazvo, chikara chousiku chichagarapo norugare, chichiwanapo nzvimbo yokuzorora.
14Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin'ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin'ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.[Na: jakala][Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7][Heb. lilita]
15Rovambira richaita dendere raropo, nokukandira, nokuchechenya mazai aro, nokuunganidza vana varo mumumvuri waro; zvirokwazvo, ndipo pachaunganira ruvangu, rumwe norumwe neshamwari yarwo.
15Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin'ny alokaloka any; Any koa no hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany avy.
16Tsvakai pabhuku yaJehovha, murave; hapana chimwe chezvinhu izvi chichashaikwa, chichashaiwa shamwari yacho; nekuti muromo wangu wakarayira izvozvo, nomweya wake wakazviunganidza.
16Izahao ao amin'ny bokin'i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan'i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.[Heb. vavako]Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
17Iye wakazvikandira mijenya, ruoko rwake rwakazviganhurira nyika norwonzi; ichava yazvo nokusingaperi, vachagaramo kusvikira kumarudzi namarudzi.
17Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.