1Renje nenyika yakaoma zvichafara; sango richafara kwazvo, richatumbuka seruva.
1Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
2Richatumbuka zvizhinji, nokufara kwazvo nomufaro nokuimba; richapiwa kunaka kukuru kweRebhanoni, noukomba bweKarimeri neSharoni; vachaona kunaka kukuru kwaJehovha, ihwo ukomba hwaMwari wedu.
2Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr'i Libanona dia homena azy mbamin'ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr'i Jehovah izy sy ny famirapiratan'Andriamanitsika.
3Simbisai maoko asine simba, mutsigire mabvi anodedera.
3Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
4Iti kuna vane moyo inotya, Simbai, musatya! Tarirai, Mwari wenyu achauya nokutsiva, nokuripira kwaMwari; achauya achikuponesai.
4Lazao amin'izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika]
5Ipapo meso amapofu achasvinudzwa, nenzeve dzematsi dzichadziurwa.
5Dia hampahiratina ny mason'ny jamba, ary hampahaladina ny sofin'ny marenina.
6Ipapo anokamhina achakwakuka senondo, rurimi rwembeveve rwuchaimba nekuti mvura zhinji ichadzutuka murenje, nehova dzemvura mugwenga.
6Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina.
7Jecha, rinopisa, richashanduka dziva, nevhu, rine nyota, zvitubu zvemvura; paugaro hwamakava, paaivata, pachava nouswa, netsanga nenhokwe.
7Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.[ny miraja][Na: jakala]
8Ipapo pachava nomugwagwa, nenzira, ichanzi, Nzira youtsvene; ane tsvina haangafambi nayo, asi ichava yavo; vanofamba nayo, kunyange ari mapenzi, havangarashiki.
8Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza. [Na: Fa ho an'ireo izy]
9Hapangavi neshumba, kunyange nechikara hachingafambipo; hazvingawanikwipo, asi vakadzikunurwa ndivo vachafambapo;
9Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
10vakasunungurwa vaJehovha vachadzoka, vachasvika Ziyoni vachiimba, mufaro usingaperi uchava pamisoro yavo; vachawana mufaro nomoyo muchena, kuchema nokusuwa kuchatiza.
10Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.