Shona

Malagasy

Isaiah

53

1Ndianiko akatenda zvatakaparidzirwa? Ruoko rwaJehovha rwakaratidzwa kuna ani?
1Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?
2nekuti akamera pamberi pake sebukira, nyoro, somudzi unobuda pavhu rakaoma; haane chimiro kana umambo; kana tichimuona, haana kunaka kuti timude.
2Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
3Akazvidzwa, nekuraswa navanhu, munhu wokurwadziwa, akaziva urwere, somunhu anovanzirwa navanhu zviso zvavo; akazvidzwa nesu hatina kumukudza.
3Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.[Heb. lehilahy be fanaintainana sady fantatry ny faharariana]
4Zvirokwazvo, akatakura matenda edu, nokusimudza kurwadziwa kwedu; asi isu takati akatambudzwa, akarohwa naMwari nokumanikidzwa.
4Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb. fanaintainantsika]
5Asi akakuvadzwa nokuda kokudarika kwedu, akarwadziwa nokuda kwezvakaipa zvedu; kurohwa kwakativigira rugare kwakanga kuri pamusoro pake, takaporeswa namavanga ake.
5Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana]
6Isu tose samakwai, takanga takarasika , takatsauka mumwe nomumwe nenzira yake; uye Jehovha akaisa pamusoro pake kuipa kwedu tose.
6Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
7Akamanikidzwa,akarohwa, kunyange zvakadaro haana kushamisa muromo wake;akauyiswa segwayana rinoiswa kundobayiwa uye segwai pamberi pavavevuri varo,akanyarara, saizvozvo haana kushamisa muromo wake.
7Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.
8Akabviswa pakumanikidzwa napakutongwa, ndianiko angaparidza zera rake? nekuti akagurwa akabviswa panyika yavapenyu? Nokuda kokudarika kwavanhu vangu; akarohwa.
8Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?]
9Akaita guva rake pamwechete navakaipa, akava navamufumi pakufa kwake, nekuti haana kuita chisakarurama, kunyengera hakuna kuwanikwa mumuromo make.
9Ary nokasaina hatao tao amin'ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin'ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. [Na: Sy ho eo amin'ny mpanankarena, rehefa novonoina Izy]
10Asi kwaiva kuda kwaJehovha kuti apwanyiwe; wakamurwadzisa; ipapo uchaita mweya wake chibairo chezvivi, achaona zvibereko zvake, achawedzera mazuva ake, zvinodikamwa naJehovha zvichabudirira muruoko rwake.
10Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. [Na: Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy]
11Achaona zvaakatamburira nomweya wake, akagutiswa; nokuziva kwake muranda wangu akarurama acharuramisira vazhinji; achatakura zvakaipa zvavo.
11Noho ny fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan'ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok'ireo. [Heb.fahalalany]Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao fifonana ho an'ny mpanota. [Na: dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][Na: nanao]
12Saka ndichamuganhurira mugove pamwechete navakuru, achagoverana zvakapambwa navane simba; nekuti akadurura mweya wake kukufa, akaverengwa pamwechete navadariki; uye akatakura chivi chavazhinji, akanyengeterera vadariki.
12Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao fifonana ho an'ny mpanota. [Na: dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][Na: nanao]