Shona

Malagasy

Isaiah

54

1Imba, iwe ngomwa, iwe usina kubereka;muka nokuimba , udanidzirise, iwe usina kumbosununguka; nekuti vana vouri oga vazhinji kukunda vana vomukadzi akawanikwa.Ndizvo zvinotaura Jehovha.
1[Ny hanitarana ny Fiangonana, sy ny voninahitra ho azony] Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
2Kurisa nzvimbo yetende rako, ngavatatamure maketeni eugaro hwako; usarega, urebese mabote ako, usimbise mbambo dzako.
2Halalaho ny itoeran'ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao;
3nekuti uchapararira kuruoko rworudyi nokuruboshwe;vana vako vachagara nhaka yavahedheni,vaite matongo agarwe.
3Fa hitatra any amin'ny ankavanana sy any amin'ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
4Usatya , nekuti haunganyadziswi;uye usakanganiswa, nekuti haungavi nenyadzi; nekuti uchakangamwa kunyara kohumhandara hwako, haungazorangariri kuzvidzwa kohuchirikadzi hwako.
4Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
5nekuti Muiti wako ndiye murume wako, Jehovha wehondo ndiro zita rake; Mudzikunuri wako ndiye Mutsvene waIsiraeri, iye achanzi Mwari wenyika yose.
5Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
6nekuti Jehovha akakudana somukadzi, akasiiwa ane shungu pamweya, somukadzi akawanikwa achiri muduku ndokuzorambwa ndizvo zvinotaura Mwari wako.
6Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao. [Heb.niantso]
7Kwechinguvana,ndakakusiya , asi nenyasha huru ndichakuunganidza.
7Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin'ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.
8Nehasha dzakapupuma, ndakakuvanzira chiso changu kwechinguvana ; asi nohunyoro husingaperi ndichakunzwira nyasha , ndizvo zvinotaura Jehovha Mudzikunuri wako.
8Tamin'ny firehetan'ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin'ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
9nekuti izvi zvakaita semvura yaNowa kwandiri; nekuti sezvandakapika kuti mvura yaNowa haingazodarikizve napanyika, saizvozvo ndakapika kuti handichazokutsamwiri, kana kukutuka.
9Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon'i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon'i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
10nekuti makomo achabva, nezvikomo zvizungunuke, asi hunyoro hwangu haungabvi kwauri, kana sungano yangu yorugare haingazungunuki ndizvo zvinotaura Jehovha ane nyasha newe.
10Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
11Haiwa, iwe mutambudziki, wakaposerwa nedutu remhepo, usina kunyaradzwa, tarira, ndichateya mabwe ako namavara akanaka, ndichateya nheyo dzako namabwe esafiri.
11Hianao, ry ory izay afotofoton'ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin'ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin'ny safira,
12Ndichaita shongwe dzako ne-agati*, namasuwo ako ne-kabhunakeri*, nomuganhu wako wose namabwe anofadza.
12Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina.
13Navana vako vose vachadzidziswa naJehovha,uye ruchava rukuru, rugare rwavana vako.
13Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin'i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan'ny zanakao.
14Uchasimbiswa mukururama; uchava kure nokumanikidzwa, nekuti haungatyi, uye kure nezvinotyisa, nekuti hakungaswederi kwauri.
14Amin'ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany. [Heb. Manalavira]
15Tarira, vachavungana,asi kwete neni. Ani nani unovungana pamwe kurwa newe uchawa nokuda kwako.
15Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao kosa. [Na: ho lavo noho ny aminao]
16Tarira, ndakasika mupfuri anopfutidza mazimbe mumoto , ndokuita nhumbi yebasa rake; uye ini ndakasika muparadzi, kuti aparadze.
16Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin'ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana. [Na: fiadiana araka ny asany]Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
17Hakuna nhumbi yokurwa inopfurwa kuzorwa newe ingabudirira; rurimi rumwe norumwe runokukwirira pakutongwa ruchapiwa mhosva. Ndiyo nhaka yavaranda vaJehovha, nokururama kwavo ndokwangu ndizvo zvinotaura Jehovha.
17Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.