Shona

Malagasy

Isaiah

7

1Zvino pamazuva aAhazi, mwanakomana waJotamu, mwanakomana waUziya, mambo waJudha, Rezini mambo weSiria, naPeka, mwanakomana waRemaria, mambo waIsiraeri, vakaenda kundorwa neJerusaremu, asi vakakoniwa kurikunda.
1[Ny amin'ny hahaterahan'Imanoela, sy ny amin'ny handravana ny fanjakan'i Siria sy Efraima] Ary tamin'ny andron'i Ahaza, zanak'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, hanafika an'i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
2Zvino vakaudza imba yaDhavhidhi, vachiti, VaSiria vava pakati pavaEfuremu. moyo wake nemoyo yavanhu vake ikazununguswa sokuzununguswa kwemiti mudondo nemhepo.
2Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra.
3Zvino Jehovha akati kuna Isaya, Enda zvino undosangana naAhazi, iwe naShearijashubhi, mwanakomana wako, panoguma rukoronga rwedziva rokumusoro, panzira huru inoenda kumunda womusuki wenguvo;
3Ary hoy Jehovah tamin'Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba,[Seara-jasoba = Hisy sisa hiverina]
4undoti kwaari, Chenjera, unyarare hako; usatya, nomoyo wako urege kupera nokuda kwamatsiga awa maviri anopfungaira, nokuda kokutsamwa kukuru kwaRezini nokwavaSiria, nokomwanakomana waRemaria.
4ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia.
5nekuti vaSiria navaEfuremu, nomwanakomamwa waRemaria vakarangana kukuitira zvakaipa, vachiti,
5Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak'i Remalia ka nanao hoe:
6Hendei tindorwa navaJudha, tivatyise, tivakunde, tigadze mambo pakati pavo, iye mwanakomana waTabheeri.
6Andeha isika hananika an'i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak'i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
7Zvanzi naIshe Jehovha, lzvozvi hazvingamiri, uye hazvingaitiki.
7Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
8nekuti musoro weSiria ndiDhamasiko, nomusoro weDhamasiko ndiRezini; makore makumi matanhatu namashanu asati apera, vaEfuremu vachaputswa-putswa, kuti varege kuva rudzi;
8Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
9musoro wavaEfuremu ndiSamaria, nomusoro weSamaria ndimwanakomana waRemaria. Kana musingadi kutenda, zvirokwazvo hamungasimbiswi.
9Ary ny lohan'i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan'i Samaria dia ny zanak'i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.
10Zvino Jehovha akataurazve naAhazi, achiti,
10Ary Jehovah mbola niteny tamin'i Ahaza ihany ka nanao hoe:
11Kumbira chiratidzo kuna Jehovha Mwari wako; uchikumbire kunyange pasi pakadzika, kana kumusoro kwakakwirira.
11Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony.
12Asi Ahazi akati, Handingakumbiri, uye handingaedze Jehovha.
12Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah
13Akati, Chinzwai zvino, imwi imba yaDhavhidhi, chinhu chiduku kwamuri kuti munetse vanhu zvino modokunetsa Mwari wanguvo here?
13Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?
14Naizvozvo Ishe amene achakupai chiratidzo. Tarirai, mhandara ichava napamuviri, ichabereka mwanakomana, ichamutumidza Imanueri.
14Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela. [Na: zazavavy][Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]
15Achadya ruomba nouchi, panguva yaanoziva kuramba zvakaipa, nokusanangura zvakanaka.
15Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.
16nekuti mwana asati aziva kuramba zvakaipa nokusanangura zvakanaka, nyika iyo yaunotya madzimambo ayo maviri, ichashanduka dongo.
16Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
17Jehovha achauyisa pamusoro pako, napamusoro pavanhu vako, napamusoro peimba yababa vako, mazuva asina kumbovapo, kubvira pazuva rakaparadzana vaEfuremu navaJudha ndiye mambo weAsiria.
17Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin'ny andro nialan'i Efraima tamin'ny Joda (Dia ny mpanjakan'i Asyria);
18Zvino nezuva iro Jehovha acharidzira muridzo nhunzi dziri pamigumo yenzizi dzeEgipita, nenyuchi dziri panyika yeAsiria.
18Ary amin'izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin'ny faran'ny onin'i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin'ny tany Asyria;
19Dzichauya, dzichamhara dzose mumipata ina mawere, nomumikaha yamatombo, napamusoro pemhinzwa yose, napamusoro pamafuro ose.
19Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin'ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny saha fiandrasana rehetra.
20Nezuva iro Ishe achaveura nechisvo chakakumbirwa mhiri koRwizi, iye mambo weAsiria, musoro nemvere dzamakumbo; chichabvisawo ndebvu.
20Amin'izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza nohofana any amoron'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin'iny koa.[Eofrata]
21Zvino nezuva iro munhu achapfuwa mhou imwe duku namakwai maviri;
21Ary amin'izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
22zvino nokuda komukaka muzhinji wadzichamupa, achadya ruomba; nekuti mumwe nomumwe akasiiwa panyika iyo achadya ruomba nouchi.
22Ary noho ny haben'ny ronono azo avy amin'ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan'ny olona sisa rehetra ao amin'ny tany.
23Zvino nezuva iro nzvimbo imwe neimwe paiva nemiti yemizambiringa ine chiuru chimwe, yaitengwa namasirivha ane chiuru chimwe, ichava norukato nemhinzwa.
23Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
24Vachaendako nemiseve nouta, nekuti nyika yose ichamera rukato nemhinzwa.
24Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin'izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']
25Hakuna angasvika pazvikomo zvose zvairimwa namapadza nokutya rukato nemhinzwa; asi mombe dzichasundirwako, namakwai achatsikapo.
25Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']