1Zvino Jehovha akati kwandiri,Tora bwendefa guru, unyore pariri nepeni yavanhu, uti, Chimbidzikai kutapa, zvakapambwa zvokurumbidza.
1[Ny amin'ny hahaterahan'ny zanaky ny mpaminanivavy, sy ny handresen'i Asyria ny Joda, ary ny toky ho azon'ny tena Isiraely noho ny nahaterahan'ny Zaza Mahagaga] Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an'i Mahera-salala-hasi-baza." [Na: amin'][Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
2Ndichatora zvapupu zvakatendeka, zvinoti: Uriya mupristi, naZekariya mwanakomana waJebherekia.
2Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin'i Jeberekia.
3Ipapo ndakaenda kumuporofitakadzi, iye akatora pamuviri, akabereka mwanakomana. Zvino Jehovha akati kwandiri Mutumidze zita rokuti, Chimbidzikai kutapa, zvakapambwa zvokurumbidza.
3Ary nankany amin'ny mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.[Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
4nekuti mwana asati aziva kuti, baba vangu, kana mai vangu, fuma yeDhamasiko nezvakapambwa zveSamaria zvichaiswa pamberi pamambo weAsiria.
4Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy ny fananan'i Samaria.
5Zvino Jehovha akataurazve kwandiri, achiti,
5Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
6Vanhu ava zvavakaramba mvura yeShiroa, inonyatsa kuyerera, vachifarira Rezini nomwanakomana waRemaria;
6Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak'i Remalia,
7saka zvino, tarira, Ishe achauyisa pamusoro pavo mvura zhinji yoRwizi, ine simba yakawanda, iye mambo weAsiria nokubwinya kwake kose; ruchabuda kuhova dzarwo dzose, nokudarika nhivi dzarwo dzose;
7Dia, indro, hampiakarin'ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; [Eofrata]
8ruchakukura kusvikira kwaJudha; ruchapa fuma, ndokupfuura, ruchasvika pamutsipa; kutandavara kwamapapiro arwo kuchazadza kufara kwenyika yako yose, iwe Imanueri.
8Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin'ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.[Heb. fampivelatra ny elany]
9Itai bope, imwi ndudzi, muputsweputswe; nemwi mose muri kunyika dziri kure, inzwai; zvisungei zviuno, muputswe-putswe, zvisungei zviuno, muputswe-putswe.
9Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
10Ranganai henyu, asi zvichakona; taurai shoko, asi haringamiri; nekuti Mwari anesu.
10Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra. [Heb. Imanoela; izahao and. 8]
11nekuti Jehovha akataura saizvozvo neni noruoko rune simba, akandirayira kuti ndirege kufamba nenzira yavanhu ava, achiti,
11Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin'ny falehan'ity firenena ity aho:
12Musati, Irangano, pamusoro pezvose zvinonzi navanhu ava, irangano; uye musatya zvavanotya, kana kuvhunduka.
12Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain'ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
13Jehovha wehondo, ndiye wamunofanira kuti mutsvene; mumutye iye, mumuvhunduke iye.
13Jehovah, Tompon'ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
14Ipapo iye achava nzvimbo tsvene yenyu; asi achava ibwe rokugumbusa nedombo rokupinganidza kudzimba dzose mbiri dzaIsiraeri, ave rugombe nomusungo kuna vanogara Jerusaremu.
14Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin'ny firenena roa amin'ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin'ny mponina any Jerosalema.
15Vazhinji vavo vachagumburwa naro, vachawa, nokuputswa, nokuteyiwa, nokubatwa.
15Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
16Sunga chipupuriro, namatidza murayiro nechisimbiso pakati pavadzidzi vangu.
16Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro.
17Ndichamirira Jehovha, anovanzira imba yaJakove chiso chake, ndichamutsvaka.
17Ary hiandry an'i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
18Tarirai, ini navana vandakapiwa naJehovha, tiri zviratidzo nezvishamiso pakati paIsiraeri zvaJehovha wehondo, agere mugomo reZiyoni.
18Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin'ny Isiraely Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
19Zvino kana vachiti kwamuri, bvunzai masvikiro navavuki, vanorira nokuita zevezeve: Ko vanhu havafaniri kubvunza Mwari wavo here? Ko vanofanira kubvunza vakafa pamusoro pavapenyu here?
19Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
20Dzokerai kumurayiro nokuzvipupuriro! Kana vasingatauri sezvinoreva shoko iri, havangavi nechiedza chamangwanani.
20Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina.[Na: Eny, izany no holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina]
21Vachafamba nenyika vakamanikidzwa kwazvo, vane nzara; zvino kana vane nzara, vachava neshungu, vachatuka mambo wavo naMwari wavo, vachitarira kudenga.
21Dia samy hivezivezy amin'ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;[Na: hanozona amin'ny anaran'][Na: ny andriamaniny]
22Vachatarirawo pasi, asi tarirai, vachaona njodzi nerima, nokusviba kokumanikidzwa; vachadzingirwa kurima guru.
22Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy.Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.
23Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.