Shona

Malagasy

Job

5

1Zvino chidana hako; panomumwe angakupindura here?
1Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao?
2nekuti kutsamwa kunouraya benzi, Uye shungu dzinoparadza asina zivo.
2Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana.
3Ndakaona benzi richiita midzi; Asi pakarepo ndakatuka nzvimbo yaro.
3Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
4Vana varo havatongoponeswi, Vanopwanyiwa musuwo; Hapana anovarwira.
4Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
5Zvaakacheka zvinodyiwa navane nzara, Vanozvitora kunyange napakati pemhinzwa; Vane nyota vanomwa fuma yavo.
5Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
6Nekuti kutambudzika hakubudi paguruva. Uye nhamo haibvi pasi.
6Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana,
7Asi munhu anoberekerwa nhamo, Sebaribari dzomoto dzinokwira kumusoro.
7Nefa teraka ho amin'ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra
8Asi kana ndirini, ndaitsvaka Mwari, Ndaiisa mhosva yangu kuna Mwari;
8Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
9Iye anoita zvinhu zvikuru zvisinganzverwi; Zvinhu zvinoshamisa zvisingaverengwi;
9Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
10Iye anonisa mvura panyika, Anotuma mvura paminda;
10Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin'ny tany ary mampandeha rano eny amin'ny saha,
11Ndiye anokwiridza vakaderera; Vanochema vanokundiswa.
11Ka apetrany amin'ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory,
12Anokanganisa mano avanyepedzeri, Maoko avo arege kuita zvavakanga vachida kuita.
12Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan'ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
13Vakachenjera anovabata pamano avo, Nokurangana kwavasakarurama kunoputsirwa pasi.
13Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava;
14Vanosangana nerima masikati. Vanotsvanzvadzira masikati makuru sapausiku.
14Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina;
15Asi iye anorwira paminondo yemiromo yavo, Anorwira anoshaiwa pamaoko avane simba.
15Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny mahery izy.
16Saka murombo ane tariro, Kuipa kunozvifumbira murumo.
16Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
17Tarirai, munhu, anorairwa naMwari, ano mufaro; Saka usazvidza kuranga kowaMasimbaose.
17Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha;
18Nekuti iye anokuvadza, ndokusungazve vanga, Unopwanya, maoko ake ndokupodzazve.
18Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
19Iye achakurwira panjodzi nhanhatu; Kunyange panomwe hakuna chakaipa chingakubata.
19Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
20Panzara achakudzikunura parufu; Napakurwa achakudzikunura pasimba romunondo.
20Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy;
21Iwe uchavanziwa pakurohwa norurimi; Haungatyi kuparadza kana kuchisvika.
21Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
22Uchaseka kuparadza nokushaiwa; Haungatyi zvikara zvenyika.
22Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
23Nekuti iwe uchaita sungano namabwe esango; Zvikara zvesango zvichaita rugare newe.
23Fa vita fanekena amin'ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
24Iwe uchaziva kuti tende rako rino rugare; Uchandotarira zvipfuwo zvako, ukasashaiwa chimwe chazvo.
24Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
25Uchazivawo kuti vana vako vachawanda, Navazukuru vako vachaita souswa bwenyika.
25Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany;
26Uchasvika pahwiro hwako wakwegura kwazvo, Sechisote chezviyo chinosvika panguva yacho.
26Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoana.Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
27Tarira izvozvi takazvinzvera, ndizvozvo; Chizvinzwa, uzvizive iwe umene.
27Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.