Shona

Malagasy

Joshua

20

1Zvino Jehovha wakataura naJoshua, akati,
1[Ny nifidianana ny tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:
2Taura navana vaIsiraeri, uti, Muzvitsaurire maguta outiziro, andakakuudzai nomuromo waMozisi;
2Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Fidio ny tanàna fandosirana izay nasaiko nolazain'i Mosesy taminareo,
3kuti munhu wakauraya mumwe nokusaziva kana asina kuita nobwoni, atizirepo; achava kwamuri utiziro pamutsivi weropa.
3handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon'ny mpamaly rà
4Anofanira kutizira kune rimwe ramaguta iwayo, agondomira panopindwa napo pasuwo reguta, agoreva mhosva yake panzeve dzavakuru veguta iro; ipapo vanofanira kumugamuchira pakati pavo muguta, vamupe pokugara, agogara pakati pavo.
4Ary raha misy mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan'ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan'ny loholona amin'izany tanàna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy.
5Zvino kana mutsivi weropa achinge amutevera, haafaniri kuisa muurayi paruoko rwake, nekuti wakauraya wokwake asingaiti nobwoni, asina kumuvenga kare.
5Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.
6Zvino iye anofanira kugara muguta iro, kusvikira amira pamberi peungano atongwe, kusvikira pakufa komupristi mukuru uchavapo namazuva iwayo; ipapo muurayi anofanira kudzoka, aende kuguta rake nokumba kwake, kuguta kwaakanga atiza.
6Dia hitoetra ao amin'izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin'izay mpisoronabe amin'izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin'ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.
7Ipapo vakatsaura Kedheshi muGarirea panyika yamakomo yaNafutari, neShemi, panyika yamakomo yaEfuremu, neKiriati-abha (ndiro Zebhuroni) panyika yamakomo yaJudha.
7Dia nanokana an'i Kadesy any Galilia any amin'ny tany havoan'i Naftaly izy sy Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin'ny tany havoan'i Joda.
8Nemhiri kwaJoridhani paJeriko kumabvazuva vakatsaura Bhezeri murenje pabani kurudzi rwaRubheni, neRamoti muGiriyadhi kurudzi rwaGadhi, neGorani muBhashani kurudzi rwaManase.
8Ary dia nifidy an'i Bezera any an-efitra amin'ny tany lemaka izay an'ny firenen'i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an'ny firenen'i Gada, ary Golana any Basana, izay an'ny firenen'i Manase, any an-dafy atsinanan'i Jordana, tandrifin'i Jeriko.Ireo no tanàna voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana.
9Ndiwo maguta akatsaurirwa vana vaIsiraeri, vose navatorwa vaigara pakati pavo, kuti ani naani unouraya munhu nokusaziva atizireko, arege kufa noruoko rwomutsivi weropa, kusvikira amira pamberi peungano.
9Ireo no tanàna voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana.