1Zvino mazuva mazhinji akati apfuura, Jehovha azorodza vaIsiraeri pavavengi vavo vose vakanga vakavapoteredza, naJoshua akwegura, ava namakore mazhinji,
1[Fananarana nataon'i Josoa] Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
2Joshua akadana vaIsiraeri vose, vakuru vavo navatungamiriri vavo, navatongi vavo, navatariri vavo, akati kwavari, Ndakwegura, ndava namakore mazhinji.
2dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,
3lmi makaona zvose zvakaitirwa ndudzi idzi dzose naJehovha Mwari wenyu nokuda kwenyu; nekuti Jehovha Mwari wenyu ndiye wakakurwirai.
3ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.
4Tarirai, ndakakupai ndudzi idzi dzasara, ive nhaka yamarudzi enyu, kubva paJoridhani, pamwechete nendudzi dzose dzandakaparadza, kusvikira kugungwa guru kumavirazuva.
4Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana.
5Jehovha Mwari wenyu amene uchadzibudisa pamberi penyu, nokudzidzinga murege kudziona, kuti mupiwe nyika yadzo, sezvamakaudzwa naJehovha Mwari wenyu.
5Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.
6Naizvozvo simbai kwazvo kuti muchengete nokuita zvose zvakanyorwa mubhuku yomurayiro waMozisi, murege kutsauka kwazviri kana kurudyi kana kuruboshwe;
6Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia,
7kuti murege kuvhengana nendudzi idzo dzakasara pakati penyu, kana kureva mazita avamwari vavo, kana kupikisa navo, kana kuvashumira, kana kuvapfugamira;
7mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
8asi namatirai Jehovha Mwari wenyu, sezvamakaita kusvikira nhasi.
8fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany.
9Nekuti Jehovha wakadzinga pamberi penyu ndudzi huru dzaiva nesimba; asi kana murimwi, hakuna munhu wakamira pamberi penyu kusvikira nhasi.
9Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.
10Munhu mumwe kwamuri uchadzinga vanhu vane chiuru chezana, nekuti Jehovha Mwari wenyu ndiye unokurwirai, sezvaakakuudzai.
10Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
11Naizvozvo chenjerai kuti mude Jehovha Mwari wenyu.
11Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo.
12Nekuti kana mukatongodzokera, mukanamatira vakasara vendudzi idzi, idzo dzakasara pakati penyu, mukawanana navo, mukapinda kwavari, naivo vakapinda kwamuri;
12Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,
13muzive zvirokwazvo, kuti Jehovha Mwari wenyu haangadzingi ndudzi idzi pamberi penyu; asi vachava musungo neriva kwamuri, netyava kunhivi dzenyu, nemhinzwa pameso enyu, kusvikira mapera panyika iyo yakanaka yamakapiwa naJehovha Mwari wenyu.
13dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin'ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
14Tarirai, nhasi ini ndoenda nenzira yenyika yose; zvino imwi munoziva mumoyo yenyu yose nomumweya yenyu yose, kuti hapana chinhu chimwe pazvose zvakanaka zvakataurwa pamusoro penyu naJehovha Mwari wenyu, chakakona.
14Ary, indro, efa handeha ho amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
15Zvino sezvamakaitirwa izvo zvinhu zvose zvakanaka, zvakataurwa pamusoro penyu naJehovha Mwari wenyu, saizvozvo Jehovha uchakuitirai zvose zvakaipa, kusvikira akuparadzai panyika yakanaka, yamakapiwa naJehovha Mwari wenyu.
15Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.
16Kana mukadarika sungano yaJehovha Mwari wenyu, yaakakurairai, mukandoshumira vamwe vamwari, mukapfugama pamberi pavo, ipapo kutsamwa kwaJehovha kuchakumukirai, mukakurumidza kupera, nokubviswa panyika iyo yakanaka, yamakapiwa naye.
16Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.