Shona

Malagasy

Joshua

24

1Zvino Joshua akaunganidza marudzi ose avaIsiraeri paShekemu, akadana vakuru vaIsiraeri, navatungamiriri vavo, navatongi vavo, navatariri vavo; vakazviisa pamberi paMwari.
1[Ny teny farany nataon'i Josoa tamin'ny olona, sy ny nanaovan'ny olona fanekena mafy fa tsy hiala amin'Andriamanitra] Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo.
2Joshua akati kuvanhu vose, Zvanzi naJehovha Mwari waIsiraeri, Madzibaba enyu aigara kare mhiri koRwizi, iye Tera, baba vaAbhurahamu, naNahori, achishumira vamwe vamwari.
2Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin'ny Ony no nonenan'ny razanareo tany aloha. dia Tera, rain'i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy. [Eofrata]
3lni ndikatora baba venyu Abhurahamu mhiri koRwizi, ndikamufambisa panyika yose yeKanani, ndikawanza vana vake, ndikamupa Isaka.
3Dia naka an'i Abrahama razanareo avy tany an-dafin'ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an'Isaka ho zanany. [Eofrata]
4Ndikapa Isaka Jakove naEsau; ndikapa Esau gomo reSeiri, rive rake; Jakove navana vake vakaburukira Egipita.
4Ary Isaka koa dia nomeko an'i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.
5Ndikatuma Mozisi naAroni, ndikatambudza Egipita, nezvandakaita pakati payo; pashure ndikakubudisai.
5Dia naniraka an'i Mosesy sy Arona Aho ka namely an'i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho.
6Ndikabudisa madzibaba enyu paEgipita, mukasvika pagungwa; vaEgipita vakatevera madzibaba enyu vane ngoro uye navanhu vakatasva mabhiza kusvikira paGungwa Dzvuku.
6Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin'ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin'ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
7Zvino nguva yavakachema kuna Jehovha, akaisa rima pakati penyu navaEgipita, akauyisa gungwa pamusoro pavo, akavafukidza; meso enyu akaona zvandakaita
7Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
8Ndikakusvitsai kunyika yavaAmori, vakanga vagere mhiri kwaJoridhani; ivo vakarwa nemwi ndikavaisa mumaoko enyu, nyika yavo ikava yenyu, ndikavaparadza pamberi penyu.
8Ary nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amorita, izay nonina tany an-dafin'i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
9Zvino Bharaki mwanakomana waZipori, mambo waMoabhu, akasimuka, akarwa naIsiraeri, akatuma nhume kundodana Bharamu, mwanakomana waBheori, kuti amutuke.
9Dia nitsangana Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an'i Balama, zanak'i Beora, izy hanozona anareo.
10Asi ini ndakaramba kunzwa Bharamu, naizvozvo wakaramba achingokuropafadzai; naizvozvo ndakakurwirai paruoko rwake.
10Fa tsy nety nihaino an'i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin'ny tànany Aho.
11Zvino makayambuka Joridhani, mukasvika paJeriko; varume veJeriko vakarwa nemi, vaiti: VaAmori, navaPerezi, navaKanani, navaHeti, navaGirigashi, navaHivhi, navaJebhusi; ndikavaisa mumaoko enyu.
11Ary nita an'i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin'ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
12Ndikatuma pamberi penyu mago, akavadzinga pamberi penyu, iwo madzimambo maviri avaAmori; havana kudzingwa neminondo yenyu kana nouta bwenyu.
12Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, fa tsy tamin'ny sabatrao. na tamin'ny tsipìkanao.
13Ndikakupai nyika yamusina kurima, namaguta amusina kuvaka, mamugere zvino; munodya minda yemizambiringa neyemiorivhi yamusina kusima.
13Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin'ny tanim-boaloboka sy ny tanin'oliva izay tsy nataonareo ianareo.
14Naizvozvo ityai Jehovha, zvino, mumushumirei nomoyo wose nechokwadi, rashai vamwari vaishumirwa namadzibaba enyu mhiri koRwizi napaEgipita, imwi mushumire Jehovha.
14Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah. [Eofrata]
15Kana muchiti zvakaipa kushumira Jehovha, zvitsaurirei nhasi wamunoda kushumira, kana vamwari vaishumirwa namadzibaba enyu mhiri koRwizi, kana vamwari vavaAmori vamugere munyika yavo; asi kana ndirini naveimba yangu tichashumira Jehovha.
15Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.
16Ipapo vanhu vakapindura vakati, Mwari atibatsire, kuti tirege kurasha Jehovha tichishumira vamwe vamwari.
16Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.
17nekuti Jehovha Mwari wedu, ndiye wakatibudisa panyika yeEgipita, isu namadzibaba edu, paimba youranda; ndiye wakaita zviratidzo zvikuru tichizviona, akatichengeta panzira yose yatakafamba nayo, napakati pendudzi dzose dzatakapfuura nokwadziri.
17Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika.
18Jehovha ndiye wakadzinga ndudzi dzose pamberi pedu, ivo vaAmori vakanga vagere munyika ino; naizvozvo nesuwo tichashumira Jehovha, nekuti ndiye Mwari wedu.
18Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
19Zvino Joshua akati kuvanhu, Hamungagoni kushumira Jehovha, nekuti ndiMwari mutsvene, ndiMwari une godo, haangakukangamwiriyi kudarika kwenyu nezvivi zvenyu.
19Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
20Kana mukarasha Jehovha, mukashumira vamwari vavatorwa, iye uchakushandukirai nokukuitirai zvakaipa, nokukuparadzai, ambokuitirai zvakanaka.
20Raha mahafoy an'i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.
21Ipapo vanhu vakati kuna Joshua, Kwete, asi tichashumira Jehovha.
21Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.
22Joshua akati kuvanhu, Munozvipupurira kuti makatsaura Jehovha kuti mumushumirei. Ivo vakati, Tiri zvapupu hedu.
22Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay .
23Naizvozvo zvino rashai vamwari vavatorwa vari pakati penyu murerekere moyo yenyu kuna Jehovha Mwari waIsiraeri.
23Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
24Vanhu vakati kuna Joshua, Jehovha Mwari wedu ndiye watichashumira, tichateerera inzwi rake.
24Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay
25Naizvozvo Joshua akaita sungano navanhu musi iwoyo, akavasimbisira mutemo nomurayiro.
25Ary dia nanao fanekena tamin'ny vahoaka Josoa tamin'izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.
26Joshua akanyora mashoko iwayo mubhuku yomurayiro waMwari, akatora ibwe guru, akarimisa pasi pomuouki, wakange uri paimba tsvene yaJehovha.
26Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo. ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo anilan'ny fitoera-masin'i Jehovah.
27Joshua akati kuvanhu vose, Tarirai, ibwe iri richakupupurirai, nekuti rakanzwa mashoko ose atakataura naJehovha; naizvozvo richakupupurirai, kuti murege kuzoramba Mwari wenyu.
27Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo ianareo.
28Naizvozvo Joshua akaendisa vanhu, mumwe nomumwe akaenda kunhaka yake.
28Dia nampodin'i Josoa ny vahoaka samy ho any amin'ny lovany avy.
29Zvino shure kwaizvozvo Joshua mwanakomana waNuni, muranda waJehovha, wakafa, ava namakore ane zana negumi.
29[Ny nahafatesan'i Josoa sy Eleazara, sy ny nandevenana ny taolan'i Josefa] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
30Vakamuviga panyika yenhaka yake paTimunati-sera, panyika yamakomo yaEfuremu, nechokumusoro kwegomo reGaashi.
30Dia nalevina tao amin'ny faritanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
31VaIsiraeri vakashumira Jehovha mazuva ose aJoshua, namazuva ose avakuru vakanga vachiri vapenyu Joshua atofa, ivo vakanga vakaziva mabasa ose akanga aitirwa vaIsiraeri naJehovha.
31Ary nanompo an'i Jehovah ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely
32Mafupa aJosefa, akanga auya navana vaIsiraeri pakubuda kwavo Egipita, vakaaviga paShekemu, panzvimbo yenyika yakanga yatengwa naJakove kuvana vaHamori, baba vaShekemu, nezana remari; ikazova nhaka yavana vaJosefa.
32Ary ny taolan'i Josefa, izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin'ny tany izay novidin'i Jakoba volafotsy zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema; dia tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany. [Heb. kesita; izahao Gen. xxxiii. 19]Dia maty koa Eleazara, zanak'i Arona, ka naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin'ny tany havoan'i Efraima.
33Zvino Ereazari, mwanakomana waAroni, akafa, vakamuviga muchikomo chomwanakomana wake Pinehasi, chaakanga apiwa munyika yamakomo yaEfuremu.
33Dia maty koa Eleazara, zanak'i Arona, ka naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin'ny tany havoan'i Efraima.