Shona

Malagasy

Lamentations

1

1Haiwa, guta, rakanga rizere navanhu, rinogara sei riri roga! Iro, rakanga riri guru pakati pamarudzi, rava sechirikadzi! Iro, rakanga riri vamoyo pakati penyika, rovigira mutero.
1[Alahelo noho ny nanjo ny :Joda sy Jerosalema] Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin'ny firenena sy andriambavy tamin'ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!
2Rinochema zvikuru usiku, misodzi yaro iri pamatama aro; pakati pavadikamwi varo vose rinoshaiwa muvaraidzi, shamwari dzaro dzose dzarinyengera, dzashanduka vavengi varo.
2Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; Ny sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga fahavalony.
3Judha aenda kuutapwa nokuda kokutambudzika, nokuda kokubatiswa zvikuru; vanogara pakati pamarudzi, asi haavane zororo, vose vaidzingana navo vakamubata pakamanikana.
3Lasan-ko babo ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben'ny fanompoana; Mipetraka ao amin'ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena.[Na: Lasa nivahiny]
4Nzira dzeZiyoni dzinochema, nekuti hakuna anouya kumutambo, masuwo aro ose akaparadzwa, vapristi varo vanogomera, mhandara dzaro dzinotambudzika, iro romene rinovavirwa.
4Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin'ny fotoam-pivavahana; Lao ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon'ny fahoriana mangidy.[Na: Rava]
5Vadzivisi varo ndivo vava vakuru, vavengi varo vanofara; nekuti Jehovha akaritambudza nemhaka yokudarika kwaro kuzhinji; vana varo vaduku vakaenda kuutapwa pamberi pomudzivisi.
5Ny rafiny no mpanapaka, ny fahavalony no miadana, Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan'ny fahotany; Ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony,[Heb. loha]
6Kunaka kwake kose kwakabva pamukunda weZiyoni; machinda ake aita senondo dzinoshaiwa mafuro, akatiza asine simba pamberi poanodzingana nawo.
6Ary ny voninahitr'i Ziona zanakavavy rehetra dia efa tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, Ary mandeha reraka eo anoloan'ny mpanenjika azy izy.
7Namazuva okutambudzika nokudzungaira kwaro, Jerusaremu rinorangarira zvose zvairifadza kubva pamazuva akare; panguva yakawira vanhu varo pamaoko omudzivisi, kusina wakaribatsira, vadzivisi vakariona, vakaseka kuparadzwa kwaro.
7Tsaroan'i Jerosalema amin'ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.[Heb. fitsaharany]
8Jerusaremu rakatadza zvikuru kwazvo, naizvozvo raitwa sechinhu chisakanaka; vose vairikudza, vorishora, nekuti vakaona kushama kwaro, zvirokwazvo, rakagomera, rikadzokera shure.
8Efa nanota dia nanota Jerosalema. ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy, satria efa nahita ny fitanjahany ireny; Eny, na ny tenany aza dia miferinaina sady miamboho.
9Tsvina yaro yakanga iri panguvo yaro, harina kurangarira kuguma kwaro; naizvozvo rakanyura zvinoshamisa, harina munyaradzi; tarirai, Jehovha, kutambudzika kwangu, nekuti muvengi wazvikudza.
9Ny lotony dia teo amin'ny moron-tongotr'akanjony, tsy nitsapa farany izy; Dia mahagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. Jehovah ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo.
10Mudzivisi atambanudzira ruoko rwake kune zvose zvaro zvinofadza; nekuti rakaona marudzi achipinda panzvimbo yaro tsvene, vamakanga marayira pamusoro pavo kuti varege kupinda paungano yenyu.
10Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin'ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin'ny fitoerany masina.
11Vanhu varo vose vanogomera, vanotsvaka zvokudya; vakapa zvinhu zvavo zvinofadza kuti zvive zvokudya zvokusimbisa mweya yavo; tarirai, Jehovha, muone; nekuti ndaitwa wakazvidzwa.
11Misento ny olony rehetra, mitady hanina; Eny, atakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy; Jehovah ô, jereo ka diniho, fa vingavingaina aho.
12Nhai, imwi mose munopfuura, hamuna hanya nazvo here? Tarirai muone kana kuchema kuripo kwakafanana nokuchema kwangu, kwakauyiswa pamusoro pangu, kwandakatambudzwa nako naJehovha nezuva rokutsamwa kwake kukuru.
12Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian'i Jehovah ahy tamin'ny andro firehetan'ny fahatezerany.
13Akatuma moto mumafupa angu, zvichibva kumusoro, akavakunda; akadzikira tsoka dzangu mumbure, akandidzosera shure; akandiparadza nokundishaisa simba zuva rose.
13Avy tany amin'ny avo no nandatsahany afo ho amin'ny taolako handoroany azy; Namela-pandrika harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; Nampahalao sy nampahareraka ahy mandritra ny andro Izy.
14Joko rokudarika kwangu kuzhinji rakasungwa noruoko rwake; zvakarukwa, zvaiswa pamutsipa wangu, zvandishaisa simba rangu; Ishe akandiisa mumaoko avasingagoni kudzivisa.
14Ny ziogan'ny fahotako nofehezin'ny tànany; Voaolana ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny ny heriko; Natolotry ny Tompo ho eo an-tànan izay tsy leoko aho.
15Ishe akashaisa simba mhare dzangu dzose dzakandipoteredza, akakokera ungano yakatarwa kuzondipwanyira majaya angu; Ishe akatsika mukunda mhandara yaJudha sapachisviniro.
15Nataon'ny Tompo tsinontsinona ny maheriko rehetra; Nanendry fotoana hamelezana ahy Izy, handringanana ny zatovoko; Ny Tompo nanosihosy an'i Joda zanakavavy virijina toy ny eo amin'ny famiazam-boaloboka.
16Ndinochema nokuda kwezvinhu izvi, maziso angu anoyerera misodzi, nekuti munyaradzi, aifanira kusimbisa mweya wangu, uri kure neni; vana vangu vava nhoronhondo, nekuti muvengi akunda.
16Izany zavatra izany no mampitomany ahy; e! ny masoko, ny masoko mamarin-dranomaso, fa lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; Ringana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.
17Ziyoni rinotambanudza maoko aro, hakuna angarinyaradza; Jehovha akarayira pamusoro paJakove, kuti vakamupoteredza vave vadzivisi vake; Jerusaremu riri pakati pavo sechinhu chakanaka.
17Ziona mananty tanana, nefa tsy misy mampionona azy; Jehovah nandidy ny amin'i Jakoba mba ho tonga fahavalony ny manodidina azy; Jerosalema dia tonga fahavetavetana eo afovoan'ireo.
18Jehovha akarurama, nekuti ndakamukira murayiro wake; doteererai imwi vanhu vose, muone kuchema kwangu; mhandara dzangu namajaya angu aenda kuutapwa.
18Marina Jehovah, fa efa nandà ny teniny aho; Ry firenena rehetra, masìna ianareo, mba jereo ny fahoriako; Lasan-ko babo ny virijinako sy ny zatovoko.
19Ndakadana vaindida, asi vakandinyengera; vapristi vangu navakuru vangu vakaparara muguta, panguva yavakanga vachizvitsvakira zvokudya kusimbisa mweya yavo.
19Nantsoiko ireo tia ahy, fa nofitahiny aho; Ny mpisoroko sy ny loholoko niala aina tao an-tanana, Tamin'ny nitadiavany hanina hamelombelona ny ainy.
20Tarirai, Jehovha, nekuti ndiri panjodzi, moyo wangu unotambudzika; moyo wangu washanduka mukati mangu, nekuti ndakakumukirai kwazvo; kunze munondo unonditorera vana, mumba makaita somuno rufu.
20Izahao, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny foko; Miontana ato anatiko ny foko, fa naditra dia naditra aho; Eny ivelany dia ny sabatra no mahafoana anaka, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana kosa.
21Vakandinzwa ndichigomera, hakuna anondinyaradza; vavengi vangu vose vakanzwa nhamo dzangu, vanofara kuti makazviita; muchauyisa zuva ramakatara ipapo vachafanana neni.
21Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; Ny fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka faly izy, satria Hianao no nanao izany; Hahatonga izay andro nantsoinao Hianao, ka dia ho tonga tahaka ahy koa ireo.Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.
22Zvakaipa zvavo zvose ngazviuye pamberi penyu; muvaitire ivo sezvamakandiitira ini nokuda kokudarika kwangu kose; nekuti kugomera kwangu kuzhinji, moyo wangu washaiwa simba.
22Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.