Shona

Malagasy

Lamentations

2

1Ishe akafukidza sei mukunda weZiyoni negore rokutsamwa kwake! Akabvisa kunaka kwalsiraeri akazvikandira pasi, akasarangarira chitsiko chake nezuva rokutsamwa kwake.
1[Fitomaniana noho ny nanjo an'i Ziona sy ny Joda] Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan'ny Tompo rahona amin'ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin'ny tany ny reharehan'ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin'ny andro fahatezerany!
2Ishe akaparadza ugaro hwose hwaJakove, akasanzwira tsitsi; pakutsamwa kwake akawisira pasi nhare dzomukunda waJudha; akadziwisira pasi; akamhura ushe namachinda ahwo.
2Nolevonin'ny Tompo ny fonenan'i Jakoba rehetra, fa tsy niantrany; Noravany an-katezerana ny fiarovan'i Joda zanakavavy ka nazerany tamin'ny tany, tsy nohamasininy ny fanjakana sy ny mpanapaka,[Heb. Natelin']
3Nokutsamwa kukuru akagura nyanga dzose dzaIsiraeri, akadzosa ruoko rwake rworudyi pamberi pomuvengi akapisa muna Jakove somurazvo womoto unopedza zvose kumativi ose
3Nokapainy tamin'ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan'ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an'i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.
4Akakunga uta hwake somuvengi, akamira noruoko rwake somudzivisi, akauraya vose vaifadza meso; akadurura kutsamwa kwake somoto patende romukunda weZiyoni.
4Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin'ny lain'i Ziona zanakavavy.
5Ishe wava somuvengi, akamedza Isiraeri; akamedza dzimba dzavo dzose dzoushe, akaparadza nhare dzavo; akawanzira mukunda waJudha kuchema nokurira.
5Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona ny Isiraely. Eny, nolevoniny ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan'i Joda zanakavavy.[Heb. nitelina][Heb. nateliny]
6Akabvisa ruzhowa rwake nesimba sorwomunda; akaparadza nzvimbo yake yokuungana; Jehovha akakangamwisa paZiyoni ungano yakatarwa nesabata, akashora madzimambo navapristi neshungu dzokutsamwa kwake.
6Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon'i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin'ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
7Jehovha akarasa atari yake, akasema nzvimbo yake tsvene, akaisa masvingo edzimba dzavo vakaita bope mumba maJehovha, sapazuva reungano yakatarwa.
7Ny alitarany narian'ny Tompo, ny fitoerany masina nolaviny; Natolony ho eo an-tànan'ny fahavalo ny mandan'ny lapa ao Ziona; Nanandratra ny feony tao an-tranon'i Jehovah toy ny amin'ny fotoam-pivavahana ireny.
8Jehovha akafunga kuparadza rusvingo rwomukunda weZiyoni; akatatanura rwonzi rwokuyera,pakuparadza; akachemedza nhare norusvingo, zvinopera simba pamwechete.
8Jehovah ninia handrava ny mandan'i Ziona zanakavavy; Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy, ka miara-dreraka ireo.[Heb. hitelina]
9Masuwo aro akanyura pasi, akaparadza nokuvhuna zvipfigiso zvaro; mambo waro namachinda aro vari pakati pamarudzi asina murayiro. Zvirokwazvo vaporofita varo havana zvavanoratidzwa naJehovha.
9Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin'ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin'i Jehovah.
10Vakuru vomukunda weZiyoni vagere pasi, vanoramba vanyerere; vakakushira guruva pamisoro yavo, vakazvisunga zviuno namasaga; mhandara dzeJerusaremu dzakakotamisa misoro yadzo pasi.
10Mipetraka amin'ny tany ny loholon'i Ziona zanakavavy ka mangina; Nasiany vovoka ny lohany, misikina lamba fisaonana izy; Ny virijina any Jerosalema nampitanondrika ny lohany ho amin'ny tany.
11Meso angu apera nemisodzi, moyo wangu unotambudzika; chiropa changu chadururirwa pasi, nemhaka yokuparadzwa komukunda wavanhu vangu, nekuti vanana navanoyamwa vanoziya munzira dzomuguta.
11Pahina ny masoko azon'ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin'ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna.
12Vanoti kuna madzimai avo, Zviyo newaini zviripiko? Vachingoziya munzira dzomuguta savakakuvadzwa, mweya yavo ichidururirwa pachipfuva chamadzimai avo.
12Raha ana toy ny voatrobaka eny an-kalalahana ao an-tanana izy, na miala aina eo am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe izy: aiza izay vary sy divay?
13Ndichakupupureiko? Ndichakufananidza nei, iwe mukunda weJerusaremu? Ndichakuenzanisa nei, kuti ndikunyaradze, iwe mhandara mukunda weZiyoni? nekuti pawakaparadzwa pakakura segungwa, ndiani achakuporesa?
13Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
14Vaporofita vako vakakuonera zviratidzo zvenhema nezvoupenzi; havana kubudisa zvakaipa zvako, kuti vadzose kutapwa kwako, asi vakakuonera zviga zvenhema nezvinokutapisa.
14Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana ho anao izy.[Na: fandroahana]
15Vose vanopfuura vachavarovera maoko pamusoro pako, vanoridza muridzo nokudzungudzira mukunda weJerusaremu misoro yavo, vachiti, Ko ndiro guta rainzi navanhu rakanaka-naka kwazvo, mufaro wenyika yose?
15Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian'ny tany rehetra ?
16Vavengi vako vose vakakushamisira miromo yavo; vanoridza muridzo nokugeda-geda meno, vanoti, Tariparadza; zvirokwazvo ndiro zuva ratakanga takatarira; tariwana, tariona.
16Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.[Heb. natelinay]
17Jehovha akaita izvo zvaakafunga, akapedzisa shoko rake raakaraira pamazuva akare; akawisira pasi, akasava netsitsi; akafadza muvengi pamusoro pako, akasimudza runyanga rwavadzivisi vako.
17Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin'ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.
18moyo yavo yakadana kuna Ishe. Iwe rusvingo rwomukunda weZiyoni, misodzi ngaiyerere sorwizi masikati nousiku, usazorora, mboni yeziso rako isarega kuchema.
18Ny fonao mitaraina amin'ny Tompo: Ry mandan'i Ziona zanakavavy! mandrotsaha ranomaso andro aman'alina toy ny riaka; Aza mangina, aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao.[Heb. fony]
19Muka, danidzira usiku, pakutanga kwenguva dzose; durura moyo wako semvura pamberi paJehovha; simudzira maoko ako kwaari nokuda koupenyu hwevana vako, vanoziya nenzara pakuvamba kwenzira imwe neimwe yomuguta.
19Mitsangàna, miantsoantsoa amin'ny alina hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan'ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an'ny ain'ny zanakao madinika, izay anan'ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.
20Tarirai, Jehovha, muone vamakaitira zvakadai! Ko vakadzi vangadye zvibereko zvavo, ivo vana vari pamaoko here? Ko vapristi navaporofita vangaurawe panzvimbo tsvene yaishe here?
20Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin'ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin'ny fitoera-masin'i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany ?
21Majaya navatana vavete pasi munzira dzomuguta; mhandara dzangu namajaya angu vaurawa nomunondo; makavauraya nezuva rokutsamwa kwenyu, makavabaya, hamuna kuvanzwira tsitsi.
21Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon'ny sabatra, Novonoinao tamin'ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin'ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin'ny andro fahatezeran'i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin'ny fahavaloko.
22Makadaidza zvinondityisa pamativi ose, sapazuva reungano yakatarwa; hakuna akapukunyuka kana akasara pazuva rokutsamwa kwaJehovha; vandakabata mumaoko navandakarera vapedzwa nomuvengi wangu.
22Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin'ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin'ny andro fahatezeran'i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin'ny fahavaloko.