1Kumbirai kuna Jehovha mvura nenguva yemvura yokupedzisira, achavapa mvura inonaya kwazvo, mumwe nomumwe ave nezvinomera mumunda.
1Mangataha ranonorana amin'i Jehovah ianareo amin'ny andro fara-orana, Dia amin'i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
2nekuti terafimi dzakataura zvisina maturo, vavuki vakaona nhema, vakaudza vanhu kurota kwenhema, vanovaraidza pasina; saka vanozviindira samakwai, vanotambudzika nokushaiwa mufudzi.
2Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry. [heb. terafima]
3Kutsamwa kwangu kwakamukira vafudzi, ndicharova mutungamiriri; nekuti Jehovha wehondo wakashanyira boka rake, iyo imba yaJudha, achavaita sebhiza rake rakanaka pakurwa.
3Amin'ny mpiandry ondry no irehetan'ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon'ny maro, efa namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin'ny ady.
4Kwaari kuchabva ibwe rekona, kwaari mbambo, kwaari uta bwehondo, kwaari vabati vose pamwechete.
4Avy ao aminy no hihavian'ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian'ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian'ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian'ny mpampahory rehetra.
5Vachava semhare dzinotsika vavengi vadzo pasi pakurwa mumatope enzira dzomumusha; vacharwa nekuti Jehovha anavo; vatasvi vamabhiza vachanyadziswa.
5Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
6Ndichasimbisa imba yaJudha, ndichaponesa imba yaJosefa, nokuvadzoserazve, nekuti ndichavanzwira nyasha; vachava savanhu vasina kurashwa neni; nekuti ndini Jehovha Mwari wavo, ndichavanzwa.
6Hampahery ny taranak'i Joda Aho, Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy. [na: hamponeniko]
7VaEfuremu vachava segamba rehondo, mwoyo yavo ichafara savanhu vakabatwa newaini; zvirokwazvo vana vavo vachazviona, vakafara; mwoyo yavo ichafara munaJehovha.
7Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin'i Jehovah ny fony.
8Ndichavaridzira muridzo, ndivaunganidze; nekuti ndakavadzikunura; vachawanda sezvavaiwanda kare.
8Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
9Ndichavakusha pakati pendudzi dzavanhu; vachandirangarira kunyika dziri kure; vachararama pamwechete navana vavo, vakadzoka.
9Ary hafafiko any amin'ny firenena izy, Ka any amin'ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin'ny zanany ka hiverina [na: ary na dia hafafiko any amin'ny firenena aza izy , dia hahatsiaro Ahy any amin'ny tany lavitra]
10Uye ndichavadzosa panyika ndichavaunganidza ndichavabvisa paAsiria; ndichavasvitsa kunyika yeGiriyadhi neRebhanoni; vachashaiwa pokugara.
10Dia hampody azy avy any amin'ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin'ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
11Vachafamba nomugungwa rokutambudzika, acharova mafungu mugungwa, pakadzika pose muNairi pachapwa; kuzvikudza kweAsira kuchaderedzwa, tsvimbo youshe yeEgipita ichabviswa.
11Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta.Dia hampahereziko ao amin'i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
12Ndichavasimbisa muna Jehovha, vachafamba muzita rangu, ndizvo zvinotaura Jehovha.
12Dia hampahereziko ao amin'i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.