1Mutoro weshoko raJehovha pamusoro penyika yeHadhiraki, uye paDhamasiko apo ziso revanhu nerendudzi dzose dzaIsiraeri richava kuna Jehovha;
1[Ny handravana ny firenena maro, sy ny voninahitra ho azon'i Ziona kosa] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely - [na: fa mijery an'i Jehovah ny mason'ny olombelona]
2uye Hamatiwo, rakabatana navo; uye Tire neSidhoni, nekuti vakachenjera kwazvo.
2Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.
3Tire rakazvivakira nhare, rikazviunganidzira sirivha seguruva, nendarama yakaisvonaka samatope ari munzira dzomumusha.
3Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.
4Tarirai, Jehovha acharikunda, achawisira simba raro mugungwa; richapedzwa nomoto.
4Indro, hofoanan'ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin'ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon'ny afo.
5Ashikeroni richazviona, ndokutya; uye Gazawo, rikarwadziwa zvikuru; uye Ekironi, nekuti richanyadziswa pane zvarakatarira; mambo achaparara paEkironi, Ashikeroni haringagarwi navanhu.
5Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.
6Mwanakomana woupombwe achagara paAshidhodhi, uye ndichaparadza kuzvikudza kwavaFirisitia.
6Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan'ny Filistina.
7Ndichabvisa ropa mumuromo make, nezvinonyangadza zvake zviri pakati pameno ake; iyewo achasarira Mwari wedu; achava somuchinda paJudha, uye Ekironi somuJebhusi.
7Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan'ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an'Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin'ny firenen'i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita.
8Ndichakomberedza imba yangu nemisasa ndidzivirire hondo, kurege kuva nomunhu anopfuura napo kana kudzoka napo; hakungazovi nomumanikidzi anofamba napo; nekuti zvino ndazviona nameso angu.
8Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan'ny masoko. [na: mba tsy hisy mandroso na miverina, ka]
9Fara kwazvo, iwe mukunda weZioni; pururudza iwe mukunda weJerusaremu, tarira, mambo wako anouya kwauri; ndiye akarurama, ndiye anokunda; anozvininipisa, akatasva mbongoro, iyo mhuru mwana wembongoro.
9Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [na: ho atỳ aminao][heb. voavonjy]
10Ndichaparadza ngoro pakati paEfuremu, namabhiza paJerusaremu; uta hwokurwa huchaparadzwa; uchataurira ndudzi dzavanhu rugare; ushe hwake huchabva pagungwa kusvikira kumigumo yenyika.
10Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata]
11Kana uriwewo, nokuda kweropa resungano yako, ndakasunungura vasungwa vako mugomba risine mvura.
11Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.
12Dzokerai kunhare imwi vasungwa vanetariro; ikonhasi ndinokuudzai kuti ndichakupai migove miviri.
12Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.
13nekuti ndakazvikungira Judha seuta, ndikaisamo Efuremu semiseve; ndichamutsa vanakomana vako, iwe Ziyoni, varwe navanakomana vako, iwe Girisi; ndichakuita somunondo wemhare.
13Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin'ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,
14Jehovha achaonekwa pamusoro pavo, museve wake uchabuda semheni; Ishe Jehovha acharidza hwamanda, achafamba nezvamupupuri zvinobva zasi.
14Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin'ny tafio-drivotra any atsimo.
15Jehovha wehondo achavadzitira; vachaparadza, vachatsika pasi mabwe echipfuramabwe; vachamwa, vachiita ruzha savanhu vakabatwa newaini; vachazadzwa sembiya, samakona earitari.
15Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton'antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon'ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron'ny alitara.
16Jehovha Mwari wavo achavaponesa nezuva iro seboka ravanhu vake;nokuti vachafanana namabwe ekorona, anovaima kumusoro kwenyika yake.
16Ary hovonjen'i Jehovah Andriamaniny ireny amin'izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin'ny taniny ireny.Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy. [heb. hampitsimoka]
17nekuti kufara kwavo kuchava kukuru sei, nokunaka kwavo kuchava kukuru sei! Zviyo zvichamutsa majaya, waini itsva ichakurisa mhandara.
17Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy. [heb. hampitsimoka]