Zarma

Malagasy

Exodus

8

1 Rabbi ne Musa se: «Ma ne Haruna se a ma nga kamba salle, nga da goobo, goorey da hari zurey da bangey boŋ. A ma naŋ balancawyaŋ ma fatta ka ziji Misira laabo boŋ.»
1Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin'ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin'ny tany Egypta.
2 Haruna binde na nga kamba salle Misira harey boŋ, balancawey mo fun taray ka Misira laabo kulu daabu.
2Ary nahinjitr'i Arona tambonin'ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta.
3 Ziimey mo na woodin te da ngey moodabalo ka balancawyaŋ bangandi Misira laabo boŋ.
3Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin'ny tany Egypta.
4 Waato din gaa no Firawna ne i ma Musa nda Haruna ce. A ne: «Wa Rabbi ŋwaaray ay se, a ma balancawey ganandi in d'ay borey se. Ay mo ga borey taŋ zama i ma koy ka sargay* te Rabbi se.»
4Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin'i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin'ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
5 Musa ne Firawna se: «Ma te darza ay boŋ. Nin no ga suuban saaya kaŋ no ay ga ŋwaaray nin da ni bannyey da ni borey se, i ma balancawey halaci ni se, nin da ni windey. I si cindi mo kala isa ra hinne.»
5Ary hoy Mosesy tamin'i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin'ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy?
6 Firawna ne: «Suba.» Musa mo ne: «Ni sanno boŋ no ay g'a te, zama ni ma bay kaŋ koy fo kulu si no kaŋ boro ga sasabandi nda Rabbi iri Irikoyo.
6Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an'i Jehovah Andriamanitray.
7 Balancawey binde ga dira nin da ni windey da ni bannyey da ni borey do. Isa ra hinne no i ga cindi.»
7Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin'ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy.
8 Musa nda Haruna fatta Firawna do. Musa mo na jinde sambu Rabbi gaa balancawey kaŋ yaŋ a kande Firawna boŋ din sabbay se.
8Ary Mosesy sy Arona niala teo amin'i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ny amin'ny sahona izay efa nataony tamin'i Farao.
9 Rabbi mo goy ka te Musa sanno boŋ. Balancawey binde bu fuwey ra, da windey ra nda farey ra mo.
9Dia nataon'i Jehovah araka ny tenin'i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin'ny trano sy teny amin'ny tokotany ary tany an-tsaha.
10 I n'i gusam gu-gu, laabo mo fumbu.
10Dia nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany.
11 Amma saaya kaŋ Firawna di i dogonandi nga se, kal a na nga bina sandandi. A mana maa i sanney se koyne, danga mate kaŋ Rabbi ci.
11Fa nony hitan'i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.
12 Kala Rabbi ne Musa se: «Ma ne Haruna se a ma nga goobo salle ka ganda laabo bulungo kar. A ma bare ka te gani Misira laabo kulu ra.»
12[Fahatelo: ny moka] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran'ny tany Egypta rehetra izany.
13 I te yaadin. Haruna na nga kamba salle nda nga goobo ka ganda laabo bulungo kar. Kala ganiyaŋ go borey da almaney kulu gaa. Ganda laabo bulungo kulu te gani Misira laabo kulu ra.
13Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr'i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran'ny tany Egypta rehetra.
14 Ziimey mo si ngey ma woodin te da ngey moodabaley, hala ngey ma ganiyaŋ fattandi, amma i mana hin. Ganey binde go borey da almaney kulu gaa.
14Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy tamin'ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy.
15 Alwaato din ra ziimey ne Firawna se: «Woone wo, Irikoy kamba goy no.» Amma Firawna bina sandi, a mana maa mo i sanney se, danga mate kaŋ Rabbi ci.
15Dia hoy ny ombiasy tamin'i Farao: Rantsan-tànan'Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.
16 Rabbi ne Musa se: «Wa tun za da hinay ka kay Firawna jine. A ga fatta ka koy haro me gaa. Ma ne a se: ‹Yaa no Rabbi ci: M'ay borey taŋ zama i ma may ay se.
16[Fahefatra: ny lalitra] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan'i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
17 Da mo ni mana yadda k'ay borey taŋ, a go, ay ga hamni bi zugulayaŋ donton nin da ni bannyey da ni talkey gaa, da ni windey ra mo. Misirancey windey ga to da hamni bi zugulayaŋ, hala nda laabo kaŋ ra i go mo.
17Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon'ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.
18 Amma zaaro din ay ga Gosen laabo fay waani, nango kaŋ ay jama bara da goray, zama hamni zuguley ma si te noodin. Yaadin gaa no ni ga bay kaŋ ay no ga ti Rabbi ndunnya ra.
18Fa havahako amin'izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran'ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan'ny tany.
19 Ay ga hirri daŋ mo ay borey da ni borey game ra. Suba no alaama din ga te!› »
19Dia hasiako fiavahana amin'ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian'izany famantarana izany.
20 Yaadin mo no Rabbi te: hamni bi zugula kaŋ yaŋ ga taabandi furo Firawna windo d'a bannyey windey da Misira laabo kulu ra. Laabo halaci mo hamni bi zuguley sabbay se.
20Ary nataon'i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin'ny tranon'i Farao sy tao amin'ny tranon'ny mpanompony ary teny amin'ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra.
21 Kala Firawna na Musa nda Haruna ce ka ne: «Wa koy ka sargay te Rabbi araŋ Irikoyo se laabu woone ra.»
21Ary Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitrareo eto amin'ity tany ity.
22 Amma Musa ne: «A mana hima iri ma te yaadin, zama iri ga hay fo sarga Rabbi iri Irikoyo se kaŋ ga ti harram hari Misirancey se. A go, d'iri n'i harram hari wi Misirancey jine, manti i g'iri catu-catu nda tondiyaŋ?
22Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin'ny Egyptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin'ny Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay?
23 Iri ga te jirbi hinza diraw no saajo ra, hal iri ma sargay te Rabbi iri Irikoyo se, mate kaŋ a g'iri lordi* nd'a din.»
23Handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.
24 Firawna ne: «Ay yadda. Wa koy zama araŋ ma sargay te Rabbi araŋ Irikoyo se saajo ra. Kala day araŋ ma si koy nangu mooro gumo. Wa ŋwaaray ay se mo.»
24Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.
25 Musa ne: «Ay goono ga fatta ni do, ay ga Rabbi ŋwaaray mo. Suba hamni bi zuguley ma tun Firawna nda nga bannyey d'a borey do. Amma Firawna ma si ye ka hiila goy te koyne ka wangu ka borey taŋ i ma koy ka sargay te Rabbi se.»
25Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin'i Jehovah mba hialan'ny lalitra amin'i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i'Jehovah.
26 Musa fatta Firawna do ka Rabbi ŋwaaray.
26Ary Mosesy niala teo amin'i Farao ka nangataka tamin'i Jehovah
27 Rabbi mo te Musa sanno boŋ. A na hamni bi zuguley ganandi Firawna nda nga bannyey d'a borey do, baa afo mana cindi.
27Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin'i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza.Ka­njo Farao nanamafy ny fony indray tamin'izany ka tsy nandefa ny olona.
28 Amma Firawna na nga bina sandandi alwaati woodin mo koyne. A mana borey taŋ.
28Ka­njo Farao nanamafy ny fony indray tamin'izany ka tsy nandefa ny olona.