Zarma

Malagasy

Exodus

9

1 Waato din gaa Rabbi ne Musa se: «Ma furo Firawna do ka ne a se: ‹Yaa no Rabbi, Ibraniyancey Irikoyo ci: M'ay borey taŋ zama i ma may ay se.
1[Fahadimy: ny aretina tamin'ny biby] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
2 Zama da ni wangu k'i taŋ, ni kay mo i gaayyaŋ se,
2Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, fa mbola mihazona azy ihany,
3 a go, Rabbi kamba ga dake ni almaney kaŋ yaŋ go saajo ra boŋ, bariyey da farkayey da yoy da haw kurey da feejey boŋ -- balaaw no kaŋ ga dungu gumo.
3dia, indro, ny tànan'i Jehovah ho amin'ny bibinao izay any an-tsaha, dia amin'ny soavaly sy amin'ny boriky sy amin'ny rameva sy amin'ny omby ary amin'ny ondry aman'osy, ka hisy areti-mandringana mafy indrindra.
4 Rabbi ga almaney fay mo, Misira waney da Israyla waney. Hay kulu si bu Israyla izey waney ra.› »
4Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin'ny Isiraely amin'ny bibin'ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an'ny Zanak'Isiraely na dia iray aza.
5 Rabbi na alwaati kosu mo ka ne: «Suba no Rabbi ga haya din te laabo ra.»
5Dia nanendry fotoan'andro Jehovah ka nanao hoe: Rahampitso no hanaovan'i Jehovah izany zavatra izany eto amin'ny tany.
6 A suba mo Rabbi na woodin te. Misira almaney kulu bu, amma Israyla izey almaney ra baa afolloŋ mana bu.
6Ary nony ampitso dia nataon'i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.
7 Firawna binde donton ka hã. Kal i gar Israyla izey almaney, baa afolloŋ mana bu i ra. Amma Firawna bina sandi, a mana borey taŋ mo.
7Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin'ny Zanak'Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
8 Kala Rabbi ne Musa nda Haruna se: «Wa ku feema ra boosu, araŋ kambey me fo. Musa mo m'a say beene, Firawna jine.
8[Fahenina: ny vay] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin'ny tananao ao amin'ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin'i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason'i Farao izany.
9 A ga ciya kusa baano Misira laabo kulu boŋ, a ma ciya jaŋyaŋ mo kaŋ ga fatta nda gugusi borey gaa da almaney gaa, Misira laabo kulu ra.»
9Dia hitora-jofo eran'ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy eran'ny tany Egypta rehetra.
10 Kal i na feema ra booso ku ka koy Firawna jine. Musa mo n'a say beene. A ciya jaŋ da gugusiyaŋ mo kaŋ fun borey da almaney gaa.
10Dia naka lavenona tamin'ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan'i Farao; dia natopin'i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin'ny olona sy tamin'ny biby fiompy.
11 Ziimey mana hin ka kay Musa jine jaŋey din sabbay se, zama jaŋey go ziimey da Misirancey kulu gaa.
11Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan'i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin'ny Egyptiana rehetra.
12 Rabbi na Firawna bina sandandi koyne. A mana maa i sanno se mo, sanda mate kaŋ Rabbi ci Musa se.
12Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy.
13 Rabbi ne Musa se: «Ma tun susubay za nda hinay ka kay Firawna jine. Ma ne a se: ‹Yaa no Rabbi, Ibraniyancey Irikoyo ci: M'ay borey taŋ zama i ma may ay se.
13[Fahafito: ny havandra] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy
14 Zama alwaati woone ra no ay g'ay azaabey kulu samba ni bina da ni bannyey da ni borey boŋ, zama ni ma bay kaŋ ay cine si no ndunnya kulu ra.
14Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra.
15 Zama sohõ d'i ne ay n'ay kamba salle no ka ni kar da balaaw, nin da ni borey, doŋ i na ni tuusu ndunnya ra.
15Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin'ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin'ny tany ianao.
16 Woone se no ay na ni no beeray: hal ay m'ay dabaro cabe ni se. Zama i m'ay maa baaro fe no ndunnya kulu ra.
16Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin'ny tany rehetra ny anarako.
17 Hala hõ ni go ga boŋbeeray te ka gaaba nd'ay jama, hala ni ga wangu k'i taŋ.
17Mbola mirehareha amin'ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?
18 Guna, suba mãsancine ay ga naŋ gari ma te, gude bambata yaŋ kaŋ ga baa, kaŋ dumi mana te Misira za a sinjiyaŋ hala ka kaa hunkuna.
18Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin'ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.
19 Sohõ binde, ni ma donton da waasi ka naŋ i ma kande almaney kulu da hay kulu kaŋ go ni se, kaŋ go saajo ra, zama boro nda alman kulu kaŋ i gar saajo ra, kaŋ yaŋ mana koy fu, gariyo din ga kaŋ i boŋ. I ga bu mo.› »
19Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan'ny havandra ka ho faty avokoa.
20 Firawna bannyey ra boro kulu kaŋ humburu Rabbi sanno daŋ nga goy-teerey da nga almaney ma zuru ka furo fuwey ra.
20Ary izay natahotra ny tenin'i Jehovah teo amin'ny mpanompon'i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;
21 Amma borey kaŋ yaŋ baa si nda Rabbi sanno fay da ngey almaney da ngey bannyey saajo ra.
21fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin'i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.
22 Rabbi ne Musa se: «Ni kamba sambu beene hala gari ma te Misira laabo kulu ra boro nda alman da saajo ra kobto kulu boŋ, nangu kulu Misira laabo ra.»
22Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin'ny tany Egypta rehetra, dia amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy ary amin'ny anana rehetra any an-tsaha eran'ny tany Egypta.
23 Musa binde na nga goobo salle beena gaa. Kala Rabbi na beene kaatiyaŋ da gari samba, danji mo zumbu ka soobay ka zuru ganda. Rabbi na hari nda gari te Misira laabo ra.
23Dia nahinjitr'i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin'ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin'ny tany Egypta.
24 Gariyo binde te, danji nda gari margante kaŋ ga laala da cimi, kaŋ dumi mana te baa ce fo Misira laabo ra za a sinjiyaŋo.
24Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan'ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin'ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy.
25 Gariyo na saaji ra hay kulu kar nangu kulu Misira laabo ra, boro nda alman. A na saajo tuuro kulu kar ka saaji tuuri-nya kulu mo ceeri.
25Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran'ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian'ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.
26 Kala day Gosen laabo hinne, nango kaŋ Israyla izey bara, gari mana te noodin.
26Fa tao amin'ny tany Gosena izay nitoeran'ny Zanak'Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.
27 Kala Firawna donton ka Musa nda Haruna ce ka ne i se: «Alwaati woone kay, ay na zunubi te. Rabbi ya adilitaraykoy no, ay mo, in d'ay jama, boro laaloyaŋ no.
27Dia naniraka Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
28 Ma Rabbi ŋwaaray ay se zama dunduyaŋ beero da gariyo wo wasa. Ay g'araŋ taŋ, araŋ si ye ka gay koyne.»
28Mangataha amin'i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy hitoetra eto intsony ianareo.
29 Musa ne a se: «Ay fattanta birno banda ay g'ay kambey salle Rabbi gaa, beene kaatiyaŋo mo ga ban. Gariyo si ye ka te mo koyne, zama ni ma bay kaŋ ndunnya ya Rabbi wane no.
29Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin'ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin'i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an'i Jehovah ny tany.
30 Amma nin da ni bannyey sanney gaa, ay bay kaŋ araŋ mana humburu Rabbi Irikoy bo jina.»
30Kanefa fantatro fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an'i Jehovah Andriamanitra ihany.
31 Gariyo na lin* da sayir* kar, zama sayir hay, lin mo go ga boosu.
31Ary efa naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony.
32 Amma alkama nda hayno wo, a mana i kar, zama i mana beeri jina.
32Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny.
33 Kala Musa tun Firawna do. A fatta birno ra ka nga kambey salle Rabbi gaa. Dunduyaŋo da gariyo mo kay. Hari mana ye ka kaŋ laabo boŋ koyne.
33Ary Mosesy niala teo amin'i Farao ka nankeo ivelan'ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin'i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin'ny tany intsony.
34 Saaya kaŋ Firawna di haro ko, gariyo da dunduyaŋo ban, kal a ye ka tonton zunubi teeyaŋo gaa. A na nga bina sandandi, nga nda nga bannyey.
34Ary nony hitan'i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.Dia nihamafy ny fon'i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak'Isiraely izy, araka izay efa nampilazain'i Jehovah an'i Mosesy.
35 Firawna bina binde sandi. A mana Israyla izey taŋ mo, sanda mate kaŋ Rabbi ci Musa meyo ra.
35Dia nihamafy ny fon'i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak'Isiraely izy, araka izay efa nampilazain'i Jehovah an'i Mosesy.