Zarma

Malagasy

Ezra

3

1 Waati kaŋ handu iyyanta kay, Israyla izey mo go birney ra, kala jama margu care banda Urusalima ra.
1[Ny nanombohana ny raharaham-pivavahana indray, sy ny nanorenana ny tempoly] Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin'ny tanànany avy ny Zanak'Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy.
2 Kala Yesuwa Yozadak izo tun ka kay, nga nda nga nya-ize alfagey, da Zerubabel, Seyaltiyel izo, nda nga nya-izey. I na Israyla Irikoyo sargay feema cina, zama i ma sargay kaŋ i ga ton yaŋ salle sanda mate kaŋ i hantum Irikoy bora Musa asariya* ra.
2Dia nitsangana Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran'Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra.
3 I na feema sinji nga daba boŋ. Noodin mo no i na sargay kaŋ i ga ton yaŋ no Rabbi se, susubay da wiciri waney zama i humburu laabo borey.
3Dia naoriny teo amin'ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.
4 I na tandey bato mo haggoy, sanda mate kaŋ i hantum. I na sargay kaŋ i ga ton yaŋ no zaari kulu lasaabuyaŋo boŋ, danga mate kaŋ i kayandi i se, zaari kulu muraadey hina me.
4Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin'ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin'ny fanatitra dorana isan'andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan'andro avy.
5 Kokor banda koyne, kala sargay kaŋ si fappe kaŋ i ga ton, nda handu kayyaŋ sargay, da Rabbi bato kulu kaŋ i daŋ, borey kaŋ yaŋ i hanandi, da boro kulu kaŋ na sargay no Rabbi se bine yadda boŋ.
5Ary rehefa afaka izany, dia nanatitra ny fanatitra dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin'i Jehovah ary ny avy amin'izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah.
6 Za handu iyya jirbi sintina hane no i sintin ka tonyaŋ sargay salle Rabbi se, amma i mana jin ka Rabbi windo daba sintin jina.
6Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito no niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah izy. Nefa tsy mbola natao ny fanorenan'ny tempolin'i Jehovah.
7 I na nooru no mo cinakoy da sacey se. I na ŋwaari da haŋyaŋ hari da ji mo no Zidonancey da Tir borey se, zama i ma kande sedre* bundu ka fun Liban ka koy teeko gaa d'a ka to hala Yaffa kwaara, yadda kaŋ i du Persiya bonkoono Sirus do din boŋ.
7Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin'ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia.
8 I Irikoy windo kaŋ go Urusalima ra din do kaayaŋ banda jiiri hinkanta, handu hinkanta ra, kala Zerubabel, Seyaltiyel izo, da Yesuwa, Yozadak izo, da ngey nya-ize alfaga cindey, da Lawi borey, da borey kulu kaŋ yaŋ fun tamtaray ka kaa Urusalima, i na Lawi borey daŋ, za jiiri waranka izey ka koy beene, i ma ciya jine fune yaŋ Irikoy windo cinayaŋ se.
8Ary tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa taorian'ny nahatongavany tany amin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, mbamin'ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin'ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian'ny asa amin'ny tranon'i Jehovah.
9 Alwaato din Yesuwa tun ka kay nga nda nga izey, d'a nya-izo Kadmiyel da nga izey, da Yahuda izey, da Henadad izey da ngey izey, d'i nya-izey Lawi borey. Care banda no i ga haggoy da cinakoy kaŋ ga goy te Irikoy windo ra.
9Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak'i Joda, ho tonian'ny mpiasa tamin'ny tranon'Andriamanitra, ary ny zanak'i Henadada koa mbamin'ny zanany sy ny Levita rahalahiny.
10 Waato kaŋ cinakoy na Rabbi windo daba sinji, i na alfagey daŋ i ma kay ngey bankaarayey ra nda hilliyaŋ, ngey nda Lawi borey Asaf izey. I gonda guuruyaŋ kaŋ i ga kar care gaa zama i ma Rabbi sifa, Israyla bonkoono Dawda lordey boŋ.
10Ary rehefa naorin'ny mpiasa ny tempolin'i Jehovah, dia nasainy hidera an'i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak'i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
11 Kal i soobay ka baytu ka tu care se, i goono ga Rabbi sifa k'a saabu ka ne: «Zama nga wo booriyankoy no, zama a baakasinay suujo ga tondo hal abada Israyla se.» Jama kulu mo kuuwa nda jinde gaabikooni waato kaŋ i na Rabbi sifa, zama i na Rabbi windo daba sinji.
11Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin'ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an'i Jehovah, satria vita ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.
12 Amma boro boobo alfagey ra da Lawi borey ra, da kaayey windi arkusey da dottijo zeeney, ngey kaŋ yaŋ ga windi zeena bay, i hẽ da jinde beeri waato kaŋ i di i na Rabbi windo daba sinji. Amma boro boobo cilili nda gaabi farhã sabbay se,
12Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.
13 hala boro si hin ka bine kaani kuuwa nda jama hẽeno kosongo fayanka, zama jama kuuwa nda gaabi. I maa kosongo mo hala nangu mooro.
13ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.