Svenska 1917

Malagasy

Habakkuk

3

1En bön av profeten Habackuk; till Sigjonót.
1[Vavaka nangatahan'ny mpaminany famindram-po] Ny fivavak'i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota.
2HERRE, jag har hört om dig och häpnat. HERRE, förnya i dessa år dina gärningar, låt oss förnimma dem i dessa år. Mitt i din vrede må du tänka på förbarmande.
2Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan'ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan'ny taona izany; Na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.
3Gud kommer från Teman, den helige från berget Paran. Sela. Hans majestät övertäcker himmelen, och av hans lov är jorden full.
3Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny iray Masina avy any an-tendrombohitra Parana. Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.[Sela]
4Då uppstår en glans såsom av solljus, strålar gå ut ifrån honom, och han höljer i dem sin makt.
4Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin'ny tànany;12 Ary ao no fieren'ny heriny.[Na: avy eo anilany]
5Framför honom går pest, och feberglöd följer i hans spår.
5Eo alohany no andehanan'ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aoriany.[Na: zava-mahamay]
6Han träder fram -- därmed kommer han jorden att darra; en blick -- och han kommer folken att bäva. De uråldriga bergen splittras, de eviga höjderna sjunka ned. Han vandrar de vägar han fordom gick.
6Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; Mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, Ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, Mietry ny havoana fahagola, Fanaony hatry ny fahagola ny Azy.
7Jag ser Kusans hyddor hemsökta av fördärv; tälten darra i Midjans land.
7Mahita ny lain'i Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain'ny tany Midiana.
8Harmas då HERREN på strömmar? Ja, är din vrede upptänd mot strömmarna eller din förgrymmelse mot havet, eftersom du så färdas fram med dina hästar, med dina segerrika vagnar?
8Moa amin'ny ony va no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah ? Amin'ny ony va no ahatezeranao, Na amin'ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao ?
9Framtagen och blottad är din båge, ditt besvurna ords pilar. Sela. Till strömfåror klyver du jorden.
9Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan'ny teny. [Sela] Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.[Na: ny fiainana tamin'ny firenena dia teny]
10Bergen se dig och bäva; såsom en störtskur far vattnet ned. Djupet låter höra sin röst, mot höjden lyfter det sina händer.
10Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin'ny avo.[Heb. Mandalo]
11Sol och måne stanna i sin boning för skenet av dina farande pilar, för glansen av ditt blixtrande spjut.
11Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin'ny fitoerany, Noho ny fahazavan'ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.
12I förgrymmelse går du fram över jorden, i vrede tröskar du sönder folken.
12Amin'ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin'ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.
13Du drager ut för att frälsa ditt folk, för att bereda frälsning åt din smorde. Du krossar taket på de ogudaktigas hus, du bryter ned huset, från grunden till tinnarna. Sela.
13Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon'ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany. [sela][Heb. lohan'][an-katony]
14Du genomborrar deras styresmans huvud med hans egna pilar, när de storma fram till att förskingra oss, under fröjd, såsom gällde det att i lönndom äta upp en betryckt.
14Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan'ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy, Sady mifaly handany mangingina ny ory izy.
15Du far med dina hästar fram över havet, över de stora vattnens svall.
15Mitety ny ranomasina amin'ny soavalinao Hianao, Dia eny amin'ny rano be miavovona.
16Jag hör det och darrar i mitt innersta, vid dånet skälva mina läppar; maktlöshet griper benen i min kropp, jag darrar på platsen där jag står. Ty jag måste ju stilla uthärda nödens tid, medan det kommer, som skall tränga folket.
16Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon'ny fahalòvana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran'ny mpanao an-diany hamely ny olonao.
17Ja, fikonträdet blomstrar icke mer, och vinträden giva ingen skörd, olivträdets frukt slår fel och fälten alstra ingen äring, fåren ryckas bort ur fållorna, och inga oxar finnas mer i stallen.
17Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
18Likväl vill jag glädja mig i HERREN och fröjda mig i min frälsnings Gud.
18Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.
19HERREN, Herren är min starkhet; han gör mina fötter såsom hindens och låter mig gå fram över mina höjder. För sångmästaren, med mitt strängaspel.
19Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.