Svenska 1917

Malagasy

Zephaniah

1

1Detta är HERRENS ord som kom till Sefanja, son till Kusi, son till Gedalja, son till Amarja, son till Hiskia, i Josias, Amons sons, Juda konungs, tid.
1Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Zefania, zanak'i Kosy, zanak'i Gedalia, zanak'i Amaria, zanak'i Hezekia, tamin'ny andro nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda.
2Jag skall rycka bort och förgöra allt vad på jorden är, säger HERREN;
2[Ny hamaliana ny firenena rehetra noho ny ratsy nataony, indrindra fa ny Joda] Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin'ny tany, hoy Jehovah;
3jag skall förgöra människor och djur, jag skall förgöra fåglarna under himmelen och fiskarna i havet, det vacklande riket jämte de ogudaktiga människorna; ja, människorna skall jag utrota från jorden, säger HERREN.
3Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin'ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin'ny tany ny olona, hoy Jehovah.
4Jag skall uträcka min hand mot Juda och mot Jerusalems alla invånare och utrota från denna plats Baals sista kvarleva, avgudaprofeternas namn jämte prästerna;
4Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,
5dem som på taken tillbedja himmelens härskara, och dem som tillbedja HERREN och svärja vid honom och svärja vid Malkam;
5Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin'izay eny amin'ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana ho an'i Jehovah Sady mianiana amin'i Malkama, [Na: ny mpanjakany]
6dem som hava vikit bort ifrån HERREN, och dem som aldrig hava sökt HERREN eller frågat efter honom.
6Ary izay nihemotra niala tamin'i Jehovah, Sy izay tsy nitady an'i Jehovah na nanontany taminy.
7Varen stilla inför Herren, HERREN! Ty HERRENS dag är nära; HERREN har tillrett ett slaktoffer, han har invigt sina gäster.
7Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
8Och det skall ske på HERRENS slaktoffers dag att jag skall hemsöka furstarna och konungasönerna och alla som kläda sig i utländska kläder;
8Ary raha mby amin'ny andro hamonoan'i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak'andriana Mbamin'izay rehetra mitafy ny fitafin'ny firenena hafa.
9Jag skall på den dagen hemsöka alla som hoppa över tröskeln, dem som fylla sin herres hus med våld och svek.
9Ary amin'izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon'ny tompony.
10På den dagen, säger HERREN, skall klagorop höras ifrån Fiskporten och jämmer från Nya staden och stort brak från höjderna.
10Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin'ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin'ny havoana.
11Jämren eder, I som bon i Mortelkvarteret, ty det är förbi med hela krämarskaran; utrotade äro alla de penninglastade.
11Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. [Maktesy = Laona] [Na: vahoakan'i Kanana]
12Och det skall ske på den tiden att jag skall genomleta Jerusalem med lyktor och hemsöka de människor som nu ligga där i ro på sin drägg, dem som säga i sina hjärtan: »HERREN gör intet, varken gott eller ont.»
12Ary amin'izany andro izany dia hotsiloviko amin'ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin'ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
13Deras ägodelar skola då lämnas till plundring och deras hus till ödeläggelse. Om de bygga sig hus, skola de ej få bo i dem, och om de plantera vingårdar, skola de ej få dricka vin från dem.
13Ka dia ho tonga babo ny fananan'ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
14HERRENS stora dag är nära, ja, den är nära, den kommer med stor hast. Hör, det är HERRENS dag! I ångest ropa nu hjältarna.
14Efa antomotra ny andro lehiben'i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
15En vredens dag är den dagen, en dag av ångest och trångmål, en dag av ödeläggelse och förödelse en dag av mörker och tjocka, en dag av moln och töcken,
15Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
16en dag då basunljud och härskri höjes mot de fastaste städer och mot de högsta murtorn.
16Andro fahaveloman'ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin'ny zorony.
17Då skall jag bereda människorna sådan ångest att de gå där såsom blinda, därför att de hava syndat mot HERREN. Deras blod skall spridas omkring såsom stoft, och deras kroppar skola kastas ut såsom orenlighet.
17Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin'i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany. [Na: mahatsiravina]
18Varken deras silver eller deras guld skall kunna rädda dem på HERRENS vredes dag. Av hans nitälskans eld skall hela jorden förtäras. Ty en ände, ja, en ände med förskräckelse skall han göra på alla jordens inbyggare.
18Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany. [Na: mahatsiravina]