1Besinna dig och kom till sans, du folk utan blygsel,
1[Anatra ho fampibebahana ny olona, dieny mbola tsy mihatra ny loza]Miangona, eny, mivoria ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra, [Na: tsy manina]
2innan ännu rådslutet är fullgånget -- den dagen hastar fram, såsom agnar fara! -- och innan HERRENS vredes glöd kommer över eder, ja, innan HERRENS vredes dag kommer över eder.
2Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
3Söken HERREN, alla I ödmjuke i landet, som hållen hans lag. Söken rättfärdighet, söken ödmjukhet; kanhända bliven I så beskärmade på HERRENS vredes dag.
3Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.
4Ty Gasa skall bliva övergivet och Askelon varda en ödemark; mitt på ljusa dagen skall Asdods folk drivas ut, och Ekron skall ryckas upp med roten.
4Fa hafoy Gaza, Ary ho lao Askelona; Horoahiny mitataovovonana Asdoda, Ary hofongorana Ekrona.
5Ve eder som bebon landsträckan utmed havet, I av keretéernas folk! Ett HERRENS ord skall nå dig, Kanaan, du filistéernas land; ja, jag skall fördärva dig, så att ingen mer bor i dig.
5Lozan'ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen'ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin'i Jehovah, Ry Kanana, tanin'ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao,
6Och landsträckan utmed havet skall ligga såsom betesmarker, där herdarna hava sina brunnar och fåren sina fållor.
6Ary ny any amoron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, izay misy zohy fialofan'ny mpiandry ondry, Sy ho valan'ondry aman'osy, [Na: trano-bongon']
7Och den skall tillfalla de kvarblivna av Juda hus såsom deras lott; där skola de föra sin boskap i bet. I Askelons hus skola de få lägra sig, när aftonen kommer. Ty HERREN, deras Gud, skall se till dem och skall åter upprätta dem.
7Ary ho tanin'ny sisa amin'ny taranak'i Joda izany, Ka any no hiandrasany ondry; Ny tranon'i Askelona no handriany amin'ny hariva; Fa Jehovah Andriamaniny no hamangy azy Ka hampody azy avy amin'ny fahababoany.
8Jag har hört Moabs smädelser och Ammons barns hån, huru de hava smädat mitt folk och förhävt sig mot dess land.
8Efa reko ny fandatsan'i Moaba Sy ny fanaratsian'ny taranak'i Amona, Izay nandatsany ny oloko Sy nireharehany teny amin'ny sisin-taniny.
9Därför, så sant jag lever, säger HERREN Sebaot, Israels Gud: det skall gå Moab såsom Sodom, och Ammons barn såsom Gomorra. Ett tillhåll för nässlor och en saltgrop skola de bliva, och en ödemark till evig tid. Kvarlevan av mitt folk skall plundra dem. och återstoden av min menighet skall få dem till sin arvedel.
9Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho tahaka an'i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak'i Amona ho tahaka an'i Gomora, Dia ho alan'amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin'ny oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin'ny oloko no hahalasa azy.
10Så skall det gå dem, till lön för deras högmod därför att de hava smädat och förhävt sig mot HERREN Sebaots folk.
10Izany no ho valin'ny avonavony, Satria nandatsa ny olon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy nirehareha taminy izy.
11Fruktansvärd skall HERREN bevisa sig mot dem; ty han skall göra alla jordens gudar maktlösa, och alla hedningarnas havsländer skola tillbedja honom, vart folk på sin ort --
11Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin'ny tany Izy, Mba hiankohofan'ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan'i Jehovah, Samy any amin'ny fitoerany avy.
12också I etiopier, I som av mig bliven slagna med svärd.
12Hianareo Etiopiana koa, Ho voatrabaky ny sabatro ianareo. [Heb. izy]
13Och han skall uträcka sin hand mot norr och fördärva Assur, han skall göra Nineve till en ödemark, förtorkat såsom en öken.
13Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy Ka handringana an'i Asyria; Ary hahalao an'i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.
14Och därinne skola hjordar lägra sig, allahanda vilda djur i skaror; pelikaner och rördrommar skola taga natthärbärge på pelarhuvudena därinne; fåglalåt skall ljuda i fönstren och förödelse bo på trösklarna, nu då cederpanelningen är bortriven.
14Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian'ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin'ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian'ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.
15Så skall det gå den glada staden, som satt så trygg, och som sade i sitt hjärta: »Jag och ingen annan!» Huru har den icke blivit en ödemark, en lägerstad för vilda djur! Alla som gå där fram skola vissla åt den och slå ihop händerna.
15Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian'ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.