Svenska 1917

Malagasy

Psalms

109

1För sångmästaren; av David; en psalm. Min lovsångs Gud, tig icke.
1[Ny amin'ny loza hanjo ny manao teny ratsy sy tia ozona] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. RY Andriamanitra fidèrako ô, aza mangina Hianao,
2Ty sin ogudaktiga mun, sin falska mun hava de upplåtit mot mig, de hava talat mot mig med lögnaktig tunga.
2Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin'ny lela mandainga izy.
3Med hätska ord hava de omgivit mig, de hava begynt strid mot mig utan sak.
3Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
4Till lön för min kärlek stå de mig emot, men jag beder allenast.
4Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
5De hava bevisat mig ont för gott och hat för min kärlek.
5Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
6Låt en ogudaktig man träda upp emot honom, och låt en åklagare stå på hans högra sida.
6Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.[Na: aoka Satana]
7När han kommer inför rätta, må han dömas skyldig, och hans bön vare synd.
7Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.
8Blive hans dagar få, hans ämbete tage en annan.
8Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany.
9Varde hans barn faderlösa och hans hustru änka.
9Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny
10Må hans barn alltid gå husvilla och tigga och söka sitt bröd fjärran ifrån ödelagda hem.
10Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.
11Må ockraren få i sin snara allt vad han äger, och må främmande plundra hans gods.
11Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany.
12Må ingen finnas, som hyser misskund med honom, och ingen, som förbarmar sig över hans faderlösa.
12Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty.
13Hans framtid varde avskuren, i nästa led vare sådanas namn utplånat.
13Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin'ny taranaka mandimby ny anarany.
14Hans fäders missgärning varde ihågkommen inför HERREN, och hans moders synd varde icke utplånad.
14Aoka hotsarovan'i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.
15Må den alltid stå inför HERRENS ögon; ja, sådana mäns åminnelse må utrotas från jorden.
15Aoka ho eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin'ny tany anie ny fahatsiarovana azy.
16Ty han tänkte ju icke på att öva misskund, utan förföljde den som var betryckt och fattig och den vilkens hjärta var bedrövat, för att döda dem.
16Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy;
17Han älskade förbannelse, och den kom över honom; han hade icke behag till välsignelse, och den blev fjärran ifrån honom.
17Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
18Han klädde sig i förbannelse såsom i en klädnad, och såsom vatten trängde den in i hans liv och såsom olja in i hans ben.
18Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin'ny taolany tahaka ny diloilo;
19Den varde honom såsom en mantel att hölja sig i, och såsom en gördel att alltid omgjorda sig med.
19Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.
20Detta vare mina motståndares lön från HERREN, och deras som tala ont mot min själ.
20Izany no famaliana avy amin'i Jehovah ho an'ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
21Men du, HERRE, Herre, stå mig bi för ditt namn skull; god är ju din nåd, så må du då rädda mig.
21Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao.
22Ty jag är betryckt och fattig, och mitt hjärta är genomborrat i mitt bröst.
22Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.
23Såsom skuggan, när den förlänges, går jag bort; jag ryckes bort såsom en gräshoppssvärm.
23Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.
24Mina knän äro vacklande av fasta, och min kropp förlorar sitt hull.
24Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin'ny nofoko.
25Till smälek har jag blivit inför dem; när de se mig, skaka de huvudet.
25Ary izaho dia tonga fandatsan'ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.
26Hjälp mig, HERRE, min Gud; fräls mig efter din nåd;
26Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;
27och må de förnimma att det är din hand, att du, HERRE, har gjort det.
27Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.
28Om de förbanna, så välsigna du; om de resa sig upp, så komme de på skam, men må din tjänare få glädja sig.
28Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
29Mina motståndare varde klädda i blygd och höljda i skam såsom i en mantel.
29Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.
30Min mun skall storligen tacka HERREN; mitt ibland många vill jag lova honom.
30Hidera an'i Jehovah indrindra amin'ny vavako aho; Eny, eo amin'ny olona maro no hiderako Azy.Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny.
31Ty han står på den fattiges högra sida för att frälsa honom från dem som fördöma hans själ.
31Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny.