Svenska 1917

Malagasy

Psalms

119

1Saliga äro de vilkas väg är ostrafflig, de som vandra efter HERRENS lag.
1[Salamo abidy. Fankalazana ny lalàn'Andriamanitra][ALEFA] Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah.
2Saliga äro de som taga hans vittnesbörd i akt, de som av allt hjärta söka honom,
2Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra;
3de som icke göra vad orätt är, utan vandra på hans vägar.
3Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.
4Du har givit befallningar, för att de skola hållas med all flit.
4Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
5O att mina vägar vore rätta, så att jag hölle dina stadgar!
5Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
6Då skulle jag icke komma på skam, när jag skådade på alla dina bud.
6Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
7Jag vill tacka dig av uppriktigt hjärta, när jag får lära din rättfärdighets rätter.
7Hidera Anao amin'ny hitsim-po aho Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina.
8Dina stadgar vill jag hålla; övergiv mig icke så helt och hållet.
8Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
9Huru skall en yngling bevara sin väg obesmittad? När han håller sig efter ditt ord.
9[BETA] Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
10Jag söker dig av allt mitt hjärta; låt mig icke fara vilse från dina bud.
10Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.
11Jag gömmer ditt tal i mitt hjärta, för att jag icke skall synda mot dig.
11Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
12Lovad vare du, HERRE! Lär mig dina stadgar.
12Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
13Med mina läppar förtäljer jag alla din muns rätter.
13Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
14Jag fröjdar mig över dina vittnesbörds väg såsom över alla skatter.
14Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.
15Jag vill begrunda dina befallningar och skåda på dina stigar.
15Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
16Jag har min lust i dina stadgar, jag förgäter icke ditt ord.
16Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
17Gör väl mot din tjänare, så att jag får leva, då vill jag hålla ditt ord.
17[GIMELA] Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
18Öppna mina ögon, så att jag kan skåda undren i din lag.
18Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.
19Jag är en främling på jorden; fördölj icke dina bud för mig.
19Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
20Min själ är sönderkrossad av ständig trängtan efter dina rätter.
20Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
21Du näpser de fräcka, de förbannade, dem som fara vilse från dina bud.
21Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao.
22Tag bort ifrån mig smälek och förakt, ty jag tager i akt dina vittnesbörd.
22Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
23Ja, furstar sitta och lägga råd mot mig, men din tjänare begrundar dina stadgar;
23Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.
24ja, dina vittnesbörd äro min lust, de äro mina rådgivare.
24Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
25Min själ ligger nedtryckt i stoftet; behåll mig vid liv efter ditt ord.
25[DALETA] Miraikitra amin'ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
26Jag förtäljde om mina vägar, och du svarade mig; lär mig dina stadgar.
26Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
27Lär mig att förstå dina befallningars väg, så vill jag begrunda dina under.
27Ampahalalao ahy ny lalan'ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
28Min själ gråter av bedrövelse; upprätta mig efter ditt ord.
28Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
29Låt lögnens väg vara fjärran ifrån mig, och förunna mig din undervisning.
29Ny lalan'ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
30Jag har utvalt sanningens väg, dina rätter har jag ställt framför mig.
30Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
31Jag håller mig till dina vittnesbörd; HERRE, låt mig icke komma på skam.
31Mifikitra amin'ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
32Jag vill löpa dina buds väg, ty du tröstar mitt hjärta.
32Ny lalan'ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.[Na: Raha]
33Visa mig, HERRE, dina stadgars väg, så vill jag taga den i akt intill änden.
33[HE] Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany.
34Giv mig förstånd, så vill jag taga din lag i akt och hålla den av allt hjärta.
34Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho.
35Led mig på dina buds stig, ty till den har jag behag.
35Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
36Böj mitt hjärta till dina vittnesbörd, och låt det icke vika av till orätt vinning.
36Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana.
37Vänd bort mina ögon, så att de icke se efter fåfänglighet; behåll mig vid liv på dina vägar.
37Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho.
38Uppfyll på din tjänare ditt tal, ty det leder till din fruktan.
38Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.[Tovy amin'ny mpanomponao ny teninao, Izay mahatonga ny fahatahorana Anao]
39Vänd bort ifrån mig den smälek som jag fruktar; ty dina rätter äro goda.
39Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
40Se, jag längtar efter dina befallningar; behåll mig vid liv genom din rättfärdighet.
40Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao.
41Din nåd komme över mig, HERRE, din frälsning efter ditt tal;
41[VAO] Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
42Så kan jag giva den svar, som smädar mig; ty jag förtröstar på ditt ord.
42Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
43Ryck icke sanningens ord så helt och hållet bort ifrån min mun, ty jag hoppas på dina domar.
43Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
44Så vill jag hålla din lag beständigt, ja, alltid och evinnerligen.
44Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
45Låt mig gå fram på rymlig plats, ty jag begrundar dina befallningar.
45Ary handeha amin'ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
46Jag vill tala om dina vittnesbörd inför konungar, och jag skall icke komma på skam.
46Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
47Jag vill hava min lust i dina bud, ty de äro mig kära;
47Ary hiravoravo amin'ny didinao aho Satria tiako ireny.
48jag vill lyfta mina händer upp till dina bud, ty de äro mig kära, och jag vill begrunda dina stadgar.
48Hasandratro ny tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
49Tänk på ordet till din tjänare, eftersom du har givit mig hopp.
49[ZAINA] Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy.[Na: Satria nampanantenainao aho]
50Det är min tröst i mitt lidande att ditt tal behåller mig vid liv.
50Izao no mampionona ahy amin'ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
51De fräcka bespotta mig övermåttan; likväl viker jag icke ifrån din lag.
51Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin'ny lalànao aho.
52Jag tänker på dina domar i forna tider, HERRE, och jag varder tröstar.
52Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
53Glödande harm griper mig för de ogudaktigas skull, därför att de övergiva din lag.
53Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
54Dina stadgar äro lovsånger för mig i det hus där jag dväljes.
54Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin'ny trano fivahiniako.
55Jag tänker om natten på ditt namn, HERRE, och jag håller din lag.
55Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
56Detta har blivit mig beskärt: att jag får taga dina befallningar i akt.
56Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho.
57Min del är HERREN; jag har beslutit att hålla dina ord.
57[HETA] Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
58Jag bönfaller inför dig av allt hjärta; var mig nådig efter ditt tal.
58Mifona aminao amin'ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
59Jag betänker mina vägar och vänder mina fötter till dina vittnesbörd.
59Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin'ny teni-vavolombelonao.
60Jag skyndar mig och dröjer icke att hålla dina bud.
60Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin'ny fitandremana ny didinao.
61De ogudaktigas snaror omgiva mig, men jag förgäter icke din lag.
61Nihodidina tamiko ny famato-ran'ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
62Mitt i natten står jag upp för att tacka dig för din rättfärdighets rätter.
62Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
63Jag sluter mig till alla dem som frukta dig och till dem som hålla dina befallningar.
63Naman'izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman'izay mitandrina ny didinao.
64Jorden är full av din nåd, o HERRE; lär mig dina stadgar.
64Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
65Du gör din tjänare gott, HERRE, efter ditt ord.
65[TETA] Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
66Lär mig gott förstånd och kunskap, ty jag tror på dina bud.
66Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
67Förrän jag fick lida, for jag vilse, men nu håller jag mig vid ditt tal.
67Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
68Du är god och gör vad gott är; lär mig dina stadgar.
68Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
69De fräcka hopspinna lögn mot mig, men jag vill av allt hjärta taga dina befallningar i akt.
69Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin'ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
70Deras hjärtan äro okänsliga såsom fett, men jag har min lust i din lag.
70Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
71Det var mig gott att jag vart tuktad, så att jag fick lära mig dina stadgar.
71Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
72Din muns lag är mig bättre än tusentals stycken guld och silver.
72Ny lalàn'ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
73Dina händer hava gjort och berett mig; giv mig förstånd, så att jag kan lära dina bud.
73[JODA] Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
74De som frukta dig skola se mig och glädjas, ty jag hoppas på ditt ord.
74Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
75HERRE, jag vet att dina domar äro rättfärdiga, och att du har tuktat mig i trofasthet.
75Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
76Din nåd vare min tröst, såsom du har lovat din tjänare.
76Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin'ny mpanomponao.
77Din barmhärtighet komme över mig, så att jag får leva; ty din lag är min lust.
77Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
78På skam komme de fräcka, ty de hava gjort mig orätt utan sak; men jag vill begrunda dina befallningar.
78Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.[Na: nanoloky ahy tamin'ny lainga]
79Till mig må de vända sig, som frukta dig, och de om känna dina vittnesbörd.
79Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
80Mitt hjärta vare ostraffligt i dina stadgar, så att jag icke kommer på skam.
80Aoka ho marina tsara ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
81Min själ trängtar efter din frälsning, jag hoppas på ditt ord.
81[KAFA] Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
82Mina ögon trängta efter ditt tal, och jag säger: »När vill du trösta mig?»
82Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
83Ty jag är såsom en vinlägel i rök, men jag förgäter icke dina stadgar.
83Fa tahaka ny siny hoditra ao amin'ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.
84Huru få äro icke din tjänares dagar! När vill du hålla dom över mina förföljare?
84Hoatrinona no andron'ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin'izay manenjika ahy Hianao?
85De fräcka gräva gropar för mig, de som icke leva efter din lag.
85Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
86Alla dina bud äro sanning; utan sak förföljer man mig; hjälp mig.
86Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
87De hava så när fördärvat mig på jorden, fastän jag icke har övergivit dina befallningar.
87Saiky laniny teo amin'ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
88Behåll mig vid liv efter din nåd, så vill jag hålla din muns vittnesbörd.
88Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
89Evinnerligen, HERRE, står ditt ord fast i himmelen.
89[LAMEDA] Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
90Från släkte till släkte varar din trofasthet; du har grundat jorden, och den består.
90Hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
91Till att utföra dina rätter består allt än i dag, ty allting måste tjäna dig.
91Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.[Na: Araka ny nanendrenao azy]
92Om din lag icke hade varit min lust, så hade jag förgåtts i mitt elände.
92Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho.
93Aldrig skall jag förgäta dina befallningar, ty genom dem har du behållit mig vid liv.
93Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
94Jag är din, fräls mig; ty jag begrundar dina befallningar.
94Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
95På mig vakta de ogudaktiga för att förgöra mig; men jag aktar på dina vittnesbörd.
95Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
96På all annan fullkomlighet har jag sett en ände, men ditt bud är omätligt i vidd.
96Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
97Huru kär har jag icke din lag! Hela dagen begrundar jag den.
97[MEMA] Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
98Visare än mina fiender äro, göra mig dina bud, ty de tillhöra mig för evig tid.
98Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
99Jag är klokare än alla mina lärare, ty jag begrundar dina vittnesbörd.
99Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
100Jag är förståndigare än de gamle, ty jag tager dina befallningar i akt.
100Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
101Jag avhåller mina fötter ifrån alla onda vägar, för att jag må hålla ditt ord.
101Efa narovako ny tongotro tsy ho amin'izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
102Jag viker icke ifrån dina rätter, ty du undervisar mig.
102Tsy mba miala amin'ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
103Huru ljuvt för min tunga är icke ditt tal! Det är ljuvare än honung för min mun.
103Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
104Av dina befallningar får jag förstånd; därför hatar jag alla lögnens vägar.
104Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
105Ditt ord är mina fötters lykta och ett ljus på min stig.
105[NONA] Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
106Jag har svurit och hållit det: att taga din rättfärdighets rätter i akt.
106Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
107Jag är storligen plågad; HERRE, behåll mig vid liv efter ditt ord.
107Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
108Låt min muns frivilliga offer behaga dig, HERRE, och lär mig dina rätter.
108Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
109Jag bär min själ alltid i min hand, men jag förgäter icke din lag.
109An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.[Heb. An-tanako]
110De ogudaktiga lägga ut snaror för mig, men jag far icke vilse från dina befallningar.
110Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho.
111Jag har dina vittnesbörd till min eviga arvedel, ty de äro mitt hjärtas fröjd.
111Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany.
112Jag har böjt mitt hjärta till att göra efter dina stadgar, alltid och intill änden.
112Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany.
113Jag hatar dem som halta på båda sidor, men din lag har jag kär.
113[SAMEKA] Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
114Du är mitt beskärm och min sköld; jag hoppas på ditt ord.
114Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.
115Viken bort ifrån mig, I onde; jag vill taga min Guds bud i akt.
115Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin'Andriamanitro.
116Uppehåll mig efter ditt tal, så att jag får leva, och låt mig icke komma på skam med mitt hopp.
116Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin'ny fanantenako aho.
117Stöd mig, så att jag varder frälst, så vill jag alltid se med lust på dina stadgar.
117Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
118Du aktar för intet alla som fara vilse från dina stadgar, ty förgäves är deras svek.
118Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.
119Du förkastar såsom slagg alla ogudaktiga på jorden; därför har jag dina vittnesbörd kära.
119Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.
120Av fruktan för dig ryser mitt kött, och jag rädes för dina domar.
120Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
121Jag övar rätt och rättfärdighet; du skall icke överlämna mig åt mina förtryckare.
121[AINA] Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny mpampahory ahy.
122Tag dig an din tjänares sak, och låt det gå honom väl; låt icke de fräcka förtrycka mig.
122Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
123Mina ögon trängta efter din frälsning och efter din rättfärdighets tal.
123Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao.
124Gör med din tjänare efter din nåd, och lär mig dina stadgar.
124Ataovy amin'ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
125Jag är din tjänare; giv mig förstånd, så att jag kan känna dina vittnesbörd.
125Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
126Det är tid för HERREN att handla, ty de hava gjort din lag om intet.
126Efa andro tokony hampisehoan'i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.[Heb. hiasan'i Jehovah]
127Därför har jag dina bud kära mer än guld, jag, mer än fint guld.
127Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
128Därför håller jag alla dina befallningar i allo för rätta, men alla lögnens vägar hatar jag.
128Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
129Underbara äro dina vittnesbörd, därför tager min själ dem i akt.
129[PE] Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
130När dina ord upplåtas, giva de ljus och skänka förstånd åt de enfaldiga.
130Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.
131Jag spärrar upp min mun och flämtar, ty jag längtar ivrigt efter dina bud.
131Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
132Vänd dig till mig och var mig nådig, såsom rätt är mot dem som hava ditt namn kärt.
132Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao.
133Gör mina steg fasta genom ditt tal, och låt ingen orätt varda mig övermäktig.
133Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
134Förlossa mig från människors förtryck, så vill jag hålla dina befallningar.
134Vonjeo amin'ny fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao.
135Låt ditt ansikte lysa över din tjänare, och lär mig dina stadgar.
135Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
136Vattenbäckar rinna ned från mina ögon, därför att man icke håller din lag.
136Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao.
137HERRE, du är rättfärdig, och dina domar äro rättvisa.
137[TSADE] Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
138Du har påbjudit dina vittnesbörd i rättfärdighet och i stor trofasthet.
138Efa voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
139Jag förtäres av nitälskan, därför att mina ovänner förgäta dina ord.
139Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
140Ditt tal är väl luttrat, och din tjänare har det kärt.
140Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao.
141Jag är ringa och föraktad, men jag förgäter icke dina befallningar.
141Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
142Din rättfärdighet är en evig rättfärdighet, och din lag är sanning.
142Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
143Nöd och trångmål hava träffat mig, men dina bud äro min lust.
143Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
144Dina vittnesbörd äro rättfärdiga evinnerligen; giv mig förstånd, så att jag får leva.
144Ny fahamarinan'ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
145Jag ropar av allt hjärta, svara mig, HERRE; jag vill taga dina stadgar i akt.
145[KOFA] Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako;
146Jag ropar till dig, fräls mig, så vill jag hålla dina vittnesbörd.
146Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
147Jag kommer tidigt i morgongryningen och ropar; jag hoppas på dina ord.
147Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
148Mina ögon hasta före nattens väkter till att begrunda ditt tal.
148Nialoha ny fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
149Hör min röst efter din nåd; HERRE, behåll mig vid liv efter dina rätter.
149Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
150Nära äro de som jaga efter skändlighet, de som äro långt ifrån din lag.
150Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
151Nära är ock du, HERRE, och alla dina bud äro sanning.
151Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
152Längesedan vet jag genom dina vittnesbörd att du har stadgat dem för evig tid.
152Efa fantatro ela tamin'ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
153Se till mitt lidande och rädda mig, ty jag förgäter icke din lag.
153[RESY] Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
154Utför min sak och förlossa mig; behåll mig vid liv efter ditt tal.
154Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
155Frälsning är långt borta från de ogudaktiga, ty de fråga icke efter dina stadgar.
155Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
156HERRE, din barmhärtighet är stor; behåll mig vid liv efter dina rätter.
156Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
157Mina förföljare och ovänner äro många, men jag viker icke ifrån dina vittnesbörd.
157Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny teni-vavolombelonao aho.
158När jag ser de trolösa, känner jag leda vid dem, därför att de icke hålla sig vid ditt tal.
158Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
159Se därtill att jag har dina befallningar kära; HERRE, behåll mig vid liv efter din nåd.
159He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
160Summan av ditt ord är sanning, och alla din rättfärdighets rätter vara evinnerligen.
160Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
161Furstar förfölja mig utan sak, men mitt hjärta fruktar för dina ord.
161[SINA] Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran'ny foko.
162Jag fröjdar mig över ditt tal såsom den som vinner stort byte.
162Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.
163Jag hatar lögnen, den skall vara mig en styggelse; men din lag har jag kär.
163Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.
164Jag lovar dig sju gånger om dagen för din rättfärdighets rätter.
164Impito isan'andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.
165Stor frid äga de som hava din lag kär, och intet finnes, som bringar dem på fall.
165Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
166Jag väntar efter din frälsning, HERRE, och jag gör efter dina bud.
166Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.
167Min själ håller dina vittnesbörd, och jag har dem storligen kära.
167Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.
168Jag håller dina befallningar och vittnesbörd, ty du känner alla mina vägar.
168Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
169HERRE, mitt rop komme inför ditt ansikte; giv mig förstånd efter ditt ord.
169Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.
170Min bön komme inför ditt ansikte; rädda mig efter ditt tal.
170Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.
171Mina läppar må flöda över av lov, ty du lär mig dina stadgar.
171Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.
172Min tunga sjunge om ditt ord, ty alla dina bud äro rättfärdiga.
172Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra.
173Din hand vare mig till hjälp, ty jag har utvalt dina befallningar.
173Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho.
174Jag längtar efter din frälsning, HERRE, och din lag är min lust.
174Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako.
175Låt min själ leva, så skall hon lova dig; och låt dina rätter hjälpa mig.
175Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.
176Om jag far vilse, så uppsök din tjänare såsom ett förlorat får, ty jag förgäter icke dina bud.
176Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.