1Halleluja! Loven HERREN från himmelen, loven honom i höjden.
1[Fiantsoana izao rehetra izao hidera an'Andriamanitra] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.
2Loven honom, alla hans änglar, loven honom, all hans här.
2Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
3Loven honom, sol och måne, loven honom, alla lysande stjärnor.
3Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
4Loven honom, I himlars himlar och I vatten ovan himmelen.
4Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.
5Ja, de må lova HERRENS namn, ty han bjöd, och de blevo skapade.
5Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
6Och han gav dem deras plats för alltid och för evigt; han gav dem en lag, och ingen överträder den.
6Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
7Loven HERREN från jorden, I havsdjur och alla djup,
7Midera an'i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
8eld och hagel, snö och töcken, du stormande vind, som uträttar hans befallning,
8Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
9I berg och alla höjder, I fruktträd och alla cedrar,
9Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
10I vilda djur och all boskap, I kräldjur och bevingade fåglar,
10Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,
11I jordens konungar och alla folk, I furstar och alla domare på jorden,
11Ny mpanjaka amin'ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin'ny tany,
12I ynglingar, så ock I jungfrur, I gamle med de unga.
12Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
13Ja, de må lova HERRENS namn, ty hans namn allena är högt, hans majestät når över jorden och himmelen.
13Samia midera ny anaran'i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin'ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
14Och han har upphöjt ett horn åt sitt folk -- ett ämne till lovsång för alla hans fromma, för Israels barn, det folk som står honom nära. Halleluja!
14Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.