1Ðoạn, Bết-sa-lê-ên đóng hòm bằng cây si-tim, bề dài hai thước rưỡi, bề ngang một thước rưỡi, và bề cao một thước rưỡi.
1Ary Bezalila nanao ny fiara tamin'ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;
2Người bọc vàng ròng bề trong và bề ngoài, cùng chạy đường viền chung quanh.
2ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
3Ðúc bốn cái khoen vàng đặng gắn bốn góc: hai cái bên hông nầy, hai cái bên hông kia.
3Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin'ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin'ny lafiny iray koa.
4Người cũng chuốt các đòn bằng cây si-tim, bọc vàng;
4Ary nanao bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena.
5rồi xỏ đòn đó vào khoen hai bên hông, đặng khiêng hòm.
5Ary nampidiriny ny bao ho eo amin'ny vava vola, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.
6Người cũng làm một cái nắp thi ân bằng vàng ròng, bề dài hai thước rưỡi, bề ngang một thước rưỡi.
6Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin'ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
7Làm hai tượng chê-ru-bin bằng vàng đánh giát để nơi hai đầu nắp thi ân,
7Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin'ny lohany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana:
8một tượng ở đầu nầy và một tượng ở đầu kia, ló ra nơi hai đầu nắp.
8dia ny kerobima iray nataony teo amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin'ny sakany anankiray: indray mivofy tamin'ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin'ny sakany roa.
9Hai chê-ru-bin sè cánh ra che trên nắp thi ân, đối diện nhau và xây mặt vào nắp thi ân.
9Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
10Người cũng đóng một cái bàn bằng cây si-tim; bề dài hai thước, bề ngang một thước, bề cao một thước rưỡi;
10Ary nanao ny latabatra tamin'ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
11bọc bằng vàng ròng, và chạy một đường viền chung quanh.
11Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.
12Lại cùng lên be cho tứ vi bàn cao chừng bốn ngón tay, và chạy cho be một đường viền vàng.
12Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.
13Người đúc bốn cái khoen vàng tra vào bốn góc, tại nơi chân bàn.
13Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny zorony efatra, izay eo amin'ny tongony efatra, ireo:
14Các khoen ở gần nơi be để xỏ đòn vào, đặng khiêng bàn;
14eo akaikin'ny sisiny no nisian'ny vava vola ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.
15người chuốt đòn bằng cây si-tim, bọc vàng, đặng khiêng bàn.
15Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.
16Lại cũng lấy vàng ròng mà làm các đồ dùng bày trên bàn: dĩa, chén, ly, và chậu, để dùng làm lễ quán.
16Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin'ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.
17Người cũng làm chân đèn bằng vàng ròng; cái chân, cái thân, cái đài, cái bầu, và cái hoa đều làm ra bằng vàng đánh giát.
17Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin'ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
18Hai bên thân đèn có sáu nhánh nứt ra, ba nhánh ở bên nầy và ba nhánh ở bên kia.
18Ary nisy sampany enina tamin'ny ankilany roa, dia sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray, ary sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray koa;
19Trong sáu nhánh nứt ra trên thân chân đèn, mỗi nhánh đều có ba cái đài hình như hột hạnh nhân, cùng bầu và hoa.
19teo amin'ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin'ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin'ny sampany enina tamin'ny fanaovan-jiro.
20Trên thân chân đèn lại cũng có bốn cái đài hình như hột hạnh nhân, cùng bầu và hoa.
20Ary teo amin'ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,
21Trong sáu nhánh từ thân chân đèn nứt ra, hễ cứ mỗi hai nhánh, thì dưới có một cái bầu.
21dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
22Bầu và nhành của chân đèn đều bằng vàng ròng nguyên miếng đánh giát.
22Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin'ny volamena tsara izy rehetra.
23Người cũng làm bảy cái thếp đèn, kéo bắt tim và đồ đựng tàn bằng vàng ròng.
23Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin'ny volamena tsara izy.
24Người dùng một ta lâng vàng ròng, mà làm chân đèn và các đồ phụ tùng của chân đèn.
24Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy.
25Người cũng đóng một cái bàn thờ xông hương bằng cây si-tim, hình vuông, bề dài một thước, bề ngang một thước, và bề cao hai thước. Bàn thờ có bốn sừng ló ra.
25Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.
26Người bọc vàng ròng trên mặt, bốn cạnh chung quanh và các sừng; tứ vi cũng chạy dường viền vàng.
26Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
27Dưới đường viền đó, nơi hai bên góc, người làm hai cái khoen vàng để xỏ đòn, đặng khiêng.
27Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin'ny koronosiny, ka nataony teo amin'ny zorony efatra ireo ho fitoeran'ny bao hilanjana azy.
28Người chuốt đòn bằng cây si-tim và bọc vàng.
28Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.
29Người cũng chế dầu thánh để xức, và hương thanh sạch bằng các hương liệu theo nghề thợ chế hương.
29Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.