Vietnamese 1934

Malagasy

Exodus

38

1Người cũng đóng bàn thờ về của lễ thiêu bằng cây si-tim, hình vuông, bề dài năm thước, bề ngang năm thước và bề cao ba thước.
1Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin'ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
2Người làm nơi bốn góc bàn thờ những sừng ló ra, bọc đồng.
2Ary nanao ny tandrony teo amin'ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo.
3Rồi làm các đồ phụ tùng của bàn thờ bằng đồng: chảo nhỏ, vá, ảng, nỉa, và bình hương.
3Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron'afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran'afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.
4Lại làm một tấm rá bằng lưới đồng để dưới thành bàn thờ, từ chân lên đến ngang giữa,
4Ary nanao makarakara vara­hina tahaka ny harato ho eo amin'ny alitara izy, dia eo ambanin'ny sikiny, hatreo ambodin'ny alitara ka hatreo amin'ny fisasahany.
5và đúc cái khoen cho bốn góc rá lưới đồng, đặng xỏ đòn khiêng.
5Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin'ny makarakara varahina izy ho fitoeran'ny bao.
6Ðoạn, chuốt đòn khiêng bằng cây si-tim, và bọc đồng;
6Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.
7xỏ đòn vào khoen nơi hai bên bàn thờ, đặng khiêng bàn đi. Người đóng bàn thờ bằng ván, trống bộng.
7Ary nampiditra ny bao teo amin'ny vava vola teo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.
8Người dùng các tấm gương của mấy người đàn bà hầu việc nơi cửa hội mạc, chế ra một cái thùng và chân thùng bằng đồng.
8Ary ny tavy varahina sy ny faladiany vara­hina dia nataony tamin'ny fitaratra varahin'ny vehivavy izay nanompo teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
9Người cũng làm hành lang: về phía nam mấy bức bố vi của hành lang bằng vải gai đậu mịn, dài trăm thước;
9Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina;
10hai chục cây trụ và hai chục lỗ trụ bằng đồng, đinh và nuông trụ bằng bạc.
10ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany vara­hina; ary volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
11Về phía bắc, cũng một trăm thước bố vi, hai chục cây trụ và hai chục lỗ trụ bằng đồng, đinh và nuông trụ bằng bạc.
11Ary tamin'ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
12Về phía tây, năm chục thước bố vi, mười cây trụ, và mười lỗ trụ bằng đồng, đinh và nuông trụ bằng bạc.
12Ary tamin'ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
13Về phía trước, là phía đông, cũng năm chục thước:
13Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho.
14nghĩa là bên hữu của hành lang mười lăm thước bố vi ba cây trụ và ba lỗ trụ;
14Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany.
15bên tả của hành lang cũng mười lăm thước bố vi, ba cây trụ và ba lỗ trụ.
15Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;
16Hết thảy bố vi của hành lang ở chung quanh đều bằng vải gai đậu mịn;
16Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban'ny kianja manodidina.
17các lỗ trụ bằng đồng, đinh, nuông bằng bạc, và đầu trụ bọc bạc. Hết thảy trụ của hành lang đều nhờ có nuông bạc chắp với nhau.
17Ary ny faladian'ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin'ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.
18Tấm màn nơi cửa hành lang làm thêu thùa bằng chỉ tím, đỏ điều, đỏ sặm, và vải gai đậu mịn; bề dài hai chục thước, bề cao (tùy theo bề khổ của vải) năm thước, đồng cỡ với bề cao của các bố vi chung quanh hành lang.
18Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia asan'ny mahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin'ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon'ny fefy lamban'ny kianja.
19Bốn cây trụ và bốn lỗ trụ bằng đồng, đinh, đồ bọc đầu trụ, và những nuông đều bằng bạc.
19Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin'ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.
20Các nọc của đền tạm và của hành lang chung quanh đều bằng đồng.
20Ary ny tsimatra amin'ny tabernakely sy amin'ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
21Ðây là sổ tổng cộng về đền tạm, là đền tạm chứng cớ theo lịnh truyền của Môi-se biểu người Lê-vi làm ra, nhờ Y-tha-ma, con trai của thầy tế lễ cả A-rôn, cai quản.
21[Tontalin'ny volamena sy volafotsy ary vara­hina izay lany] Ary izao no isan'ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin'i Mosesy; natao fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
22Bết-sa-lê-ên, con trai U-ri, cháu Hu-rơ, thuộc về chi phái Giu-đa, làm theo mọi điều Ðức Giê-hô-va đã phán dặn Môi-se,
22Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
23và kẻ giúp người là Ô-hô-li-áp, con trai A-hi-sa-mạc, thuộc về chi phái Ðan, làm thợ chạm, kẻ bày vẽ, thợ thêu thùa bằng chỉ tím, đỏ điều, đỏ sặm, và bằng chỉ gai mịn.
23Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
24Hết thảy vàng đã hiệp dùng vào các công việc nơi thánh (ấy là vàng dâng) được hai mươi chín ta lâng, bảy trăm ba chục siếc-lơ, theo siếc-lơ của nơi thánh.
24Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masina, ny volamena rehetra izay lany tamin'ny asa rehetra tamin'ny fitoerana masina, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.
25Bạc của mấy người hội chúng có kể sổ tổng cộng được một trăm ta lâng, một ngàn bảy trăm bảy mươi lăm siếc-lơ, theo siếc-lơ của nơi thánh.
25Ary ny volafotsy avy tamin'ny olona izay voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina:
26Hết thảy người nào có kể sổ, từ hai mươi tuổi sắp lên, nghĩa là sáu trăm ba ngàn năm trăm năm chục người, mỗi người nộp nửa siếc-lơ, theo siếc-lơ của nơi thánh.
26beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina, no naloan'izay rehetra voalamina, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.
27Vậy, phải một trăm ta lâng bạc đặng đúc các lỗ trụ của nơi thánh, và lỗ trụ màn; một trăm ta lâng cho một trăm lỗ trụ, tức một ta lâng vào mỗi lỗ trụ.
27Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina sy ny faladian'ny efitra lamba: dia faladia zato tamin'ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.
28Còn một ngàn bảy trăm bảy mươi lăm siếc-lơ dư lại, thì dùng làm đinh trụ, bọc đầu trụ và lấy nuông chắp các trụ với nhau.
28Ary tamin'ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin'ny andry, sy nametahana takela-bola tamin'ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany.
29Ðồng đem dâng cộng được bảy chục ta lâng, hai ngàn bốn trăm siếc-lơ.
29Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo.
30Họ dùng đồng đó làm lỗ trụ của cửa hội mạc, bàn thờ bằng đồng, rá bằng đồng, các đồ phụ tùng của bàn thờ;
30Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,ary ny faladia tamin'ny kianja manodidina sy ny faladia tamin'ny vavahadin'ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin'ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin'ny kianja manodidina.
31các lỗ trụ của hành lang chung quanh, các lỗ trụ của cửa hành lang, các nọc của đền tạm, và các nọc của hành lang chung quanh.
31ary ny faladia tamin'ny kianja manodidina sy ny faladia tamin'ny vavahadin'ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin'ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin'ny kianja manodidina.