1If then you were raised together with Christ, seek the things that are above, where Christ is, seated on the right hand of God.
1[Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara] Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra.
2Set your mind on the things that are above, not on the things that are on the earth.
2Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
3For you died, and your life is hidden with Christ in God.
3Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.
4When Christ, our life, is revealed, then you will also be revealed with him in glory.
4Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo.
5Put to death therefore your members which are on the earth: sexual immorality, uncleanness, depraved passion, evil desire, and covetousness, which is idolatry;
5Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
6for which things’ sake the wrath of God comes on the children of disobedience.
6fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
7You also once walked in those, when you lived in them;
7izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.
8but now you also put them all away: anger, wrath, malice, slander, and shameful speaking out of your mouth.
8Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo.
9Don’t lie to one another, seeing that you have put off the old man with his doings,
9Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany; [ Gr. olona]
10and have put on the new man, who is being renewed in knowledge after the image of his Creator,
10ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy. [ Gr. olona]
11where there can’t be Greek and Jew, circumcision and uncircumcision, barbarian, Scythian, bondservant, freeman; but Christ is all, and in all.
11Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [ Gr. Grika]
12Put on therefore, as God’s chosen ones, holy and beloved, a heart of compassion, kindness, lowliness, humility, and perseverance;
12Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
13bearing with one another, and forgiving each other, if any man has a complaint against any; even as Christ forgave you, so you also do.
13Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. [ Na: (Kristy)]
14Above all these things, walk in love, which is the bond of perfection.
14Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.
15And let the peace of God rule in your hearts, to which also you were called in one body; and be thankful.
15Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
16Let the word of Christ dwell in you richly; in all wisdom teaching and admonishing one another with psalms, hymns, and spiritual songs, singing with grace in your heart to the Lord.
16Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
17Whatever you do, in word or in deed, do all in the name of the Lord Jesus, giving thanks to God the Father, through him.
17Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
18Wives, be in subjection to your husbands, as is fitting in the Lord.
18Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo.
19Husbands, love your wives, and don’t be bitter against them.
19Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra aminy. [ Gr. mangidy]
20Children, obey your parents in all things, for this pleases the Lord.
20Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany.
21Fathers, don’t provoke your children, so that they won’t be discouraged.
21Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.
22Servants, obey in all things those who are your masters according to the flesh, not just when they are looking, as men pleasers, but in singleness of heart, fearing God.
22Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;
23And whatever you do, work heartily, as for the Lord, and not for men,
23ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona,
24knowing that from the Lord you will receive the reward of the inheritance; for you serve the Lord Christ.
24satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,
25But he who does wrong will receive again for the wrong that he has done, and there is no partiality.
25Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,