1Masters, give to your servants that which is just and equal, knowing that you also have a Master in heaven.
1Hianareo tompo, ataovy amin'ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
2Continue steadfastly in prayer, watching therein with thanksgiving;
2[Ny amin'ny naman'i Paoly, sy fanaovam-beloma ny sakaizany tao Kolosia] Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana,
3praying together for us also, that God may open to us a door for the word, to speak the mystery of Christ, for which I am also in bonds;
3ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
4that I may reveal it as I ought to speak.
4mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
5Walk in wisdom toward those who are outside, redeeming the time.
5Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
6Let your speech always be with grace, seasoned with salt, that you may know how you ought to answer each one.
6Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
7All my affairs will be made known to you by Tychicus, the beloved brother, faithful servant, and fellow bondservant in the Lord.
7Ny toetro rehetra dia holazain'i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin'ny Tompo;
8I am sending him to you for this very purpose, that he may know your circumstances and comfort your hearts,
8ny anton'ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
9together with Onesimus, the faithful and beloved brother, who is one of you. They will make known to you everything that is going on here.
9ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ .
10Aristarchus, my fellow prisoner, greets you, and Mark, the cousin of Barnabas (concerning whom you received commandments, “if he comes to you, receive him”),
10Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
11and Jesus who is called Justus. These are my only fellow workers for the Kingdom of God who are of the circumcision, men who have been a comfort to me.
11ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
12Epaphras, who is one of you, a servant of Christ, salutes you, always striving for you in his prayers, that you may stand perfect and complete in all the will of God.
12Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. [ Na: ho tanteraka]
13For I testify about him, that he has great zeal for you, and for those in Laodicea, and for those in Hierapolis.
13Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy.
14Luke, the beloved physician, and Demas greet you.
14Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
15Greet the brothers who are in Laodicea, and Nymphas, and the assembly that is in his house.
15Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony.
16When this letter has been read among you, cause it to be read also in the assembly of the Laodiceans; and that you also read the letter from Laodicea.
16Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonan'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana. [ Gr. eklesia]
17Tell Archippus, “Take heed to the ministry which you have received in the Lord, that you fulfill it.”
17Ary lazao amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany.Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
18The salutation of me, Paul, with my own hand: remember my bonds. Grace be with you. Amen.
18Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.