1I therefore, the prisoner in the Lord, beg you to walk worthily of the calling with which you were called,
1[Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [ Gr. ao amin']
2with all lowliness and humility, with patience, bearing with one another in love;
2amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana,
3being eager to keep the unity of the Spirit in the bond of peace.
3mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.
4There is one body, and one Spirit, even as you also were called in one hope of your calling;
4Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
5one Lord, one faith, one baptism,
5iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
6one God and Father of all, who is over all, and through all, and in us all.
6iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.
7But to each one of us was the grace given according to the measure of the gift of Christ.
7Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.
8Therefore he says, “When he ascended on high, he led captivity captive, and gave gifts to men.” Psalm 68:18
8Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).
9Now this, “He ascended,” what is it but that he also first descended into the lower parts of the earth?
9(Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin'ny tany koa? [ Na: (nidina aloha)]
10He who descended is the one who also ascended far above all the heavens, that he might fill all things.
10Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
11He gave some to be apostles; and some, prophets; and some, evangelists; and some, shepherds or, pastors and teachers;
11Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
12for the perfecting of the saints, to the work of serving, to the building up of the body of Christ;
12ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [ Gr. eklesia]
13until we all attain to the unity of the faith, and of the knowledge of the Son of God, to a full grown man, to the measure of the stature of the fullness of Christ;
13mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
14that we may no longer be children, tossed back and forth and carried about with every wind of doctrine, by the trickery of men, in craftiness, after the wiles of error;
14mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
15but speaking truth in love, we may grow up in all things into him, who is the head, Christ;
15fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy;
16from whom all the body, being fitted and knit together through that which every joint supplies, according to the working in measure of each individual part, makes the body increase to the building up of itself in love.
16Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.
17This I say therefore, and testify in the Lord, that you no longer walk as the rest of the Gentiles also walk, in the futility of their mind,
17[Fananarana enti-mamporisika azy mba hadio fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin'ny toetry ny tokan-tranony] Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy;
18being darkened in their understanding, alienated from the life of God, because of the ignorance that is in them, because of the hardening of their hearts;
18fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony,
19who having become callous gave themselves up to lust, to work all uncleanness with greediness.
19dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.
20But you did not learn Christ that way;
20Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy,
21if indeed you heard him, and were taught in him, even as truth is in Jesus:
21raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy,
22that you put away, as concerning your former way of life, the old man, that grows corrupt after the lusts of deceit;
22mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka; [ Gr. olonareo]
23and that you be renewed in the spirit of your mind,
23fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,
24and put on the new man, who in the likeness of God has been created in righteousness and holiness of truth.
24ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [ Gr. olona]
25Therefore putting away falsehood, speak truth each one with his neighbor. For we are members of one another.
25Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika.
26“Be angry, and don’t sin.” Psalm 4:4 Don’t let the sun go down on your wrath,
26Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
27neither give place to the devil.
27Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.
28Let him who stole steal no more; but rather let him labor, working with his hands the thing that is good, that he may have something to give to him who has need.
28Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
29Let no corrupt speech proceed out of your mouth, but such as is good for building up as the need may be, that it may give grace to those who hear.
29Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.
30Don’t grieve the Holy Spirit of God, in whom you were sealed for the day of redemption.
30Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.
31Let all bitterness, wrath, anger, outcry, and slander, be put away from you, with all malice.
31Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [ Gr. fangidiana]ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.
32And be kind to one another, tenderhearted, forgiving each other, just as God also in Christ forgave you.
32ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.