World English Bible

Malagasy

Titus

3

1Remind them to be in subjection to rulers and to authorities, to be obedient, to be ready for every good work,
1Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin'ny asa tsara rehetra,
2to speak evil of no one, not to be contentious, to be gentle, showing all humility toward all men.
2tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin'ny olona rehetra.
3For we were also once foolish, disobedient, deceived, serving various lusts and pleasures, living in malice and envy, hateful, and hating one another.
3Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon'ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
4But when the kindness of God our Savior and his love toward mankind appeared,
4Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
5not by works of righteousness, which we did ourselves, but according to his mercy, he saved us, through the washing of regeneration and renewing by the Holy Spirit,
5dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,
6whom he poured out on us richly, through Jesus Christ our Savior;
6Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
7that, being justified by his grace, we might be made heirs according to the hope of eternal life.
7mba hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
8This saying is faithful, and concerning these things I desire that you affirm confidently, so that those who have believed God may be careful to maintain good works. These things are good and profitable to men;
8Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman'izay efa mino an'Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
9but shun foolish questionings, genealogies, strife, and disputes about the law; for they are unprofitable and vain.
9Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
10Avoid a factious man after a first and second warning;
10Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, [ Na: olona mitokana ho azy]
11knowing that such a one is perverted, and sins, being self-condemned.
11satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
12When I send Artemas to you, or Tychicus, be diligent to come to me to Nicopolis, for I have determined to winter there.
12Rehefa maniraka an'i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
13Send Zenas, the lawyer, and Apollos on their journey speedily, that nothing may be lacking for them.
13Mazotoa hamoaka an'i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
14Let our people also learn to maintain good works for necessary uses, that they may not be unfruitful.
14Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.
15All who are with me greet you. Greet those who love us in faith. Grace be with you all. Amen.
15Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.