1[Ny hiafaran'ny mpandrafy an'i Ziona] Fihirana fiakarana. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]2Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.3Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.4Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy Izy.5Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an'i Ziona6Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;7Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin'izany;Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo.8Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo.