1[Fitarainana ataon'izay latsaka amin'ny fahoriana lalina] Fihirana fiakarana. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô, [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]2Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.3Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?4Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.5Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.6Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina.7Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.8Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.