1When thou sittest to eat with a ruler, consider diligently what is before thee:
1Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,[Na: anoloanao]
2And put a knife to thy throat, if thou be a man given to appetite.
2Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
3Be not desirous of his dainties: for they are deceitful meat.
3Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
4Labour not to be rich: cease from thine own wisdom.
4Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
5Wilt thou set thine eyes upon that which is not? for riches certainly make themselves wings; they fly away as an eagle toward heaven.
5Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.
6Eat thou not the bread of him that hath an evil eye, neither desire thou his dainty meats:
6Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
7For as he thinketh in his heart, so is he: Eat and drink, saith he to thee; but his heart is not with thee.
7Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
8The morsel which thou hast eaten shalt thou vomit up, and lose thy sweet words.
8Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
9Speak not in the ears of a fool: for he will despise the wisdom of thy words.
9Aza miteny amin'91 ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao.[Heb. an-tsofin']
10Remove not the old landmark; and enter not into the fields of the fatherless:
10Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'ny sahan'ny kamboty;[Heb. miditra amin']
11For their redeemer is mighty; he shall plead their cause with thee.
11Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.
12Apply thine heart unto instruction, and thine ears to the words of knowledge.
12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
13Withhold not correction from the child: for if thou beatest him with the rod, he shall not die.
13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; [Na: Fa tsy ho faty izy, raha asianao ny hazo]
14Thou shalt beat him with the rod, and shalt deliver his soul from hell.
14Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.[Heb. Sheola]
15My son, if thine heart be wise, my heart shall rejoice, even mine.
15Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
16Yea, my reins shall rejoice, when thy lips speak right things.
16Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.[Heb. voako]
17Let not thine heart envy sinners: but be thou in the fear of the LORD all the day long.
17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro;
18For surely there is an end; and thine expectation shall not be cut off.
18Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
19Hear thou, my son, and be wise, and guide thine heart in the way.
19Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lalana ny fonao.
20Be not among winebibbers; among riotous eaters of flesh:
20Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
21For the drunkard and the glutton shall come to poverty: and drowsiness shall clothe a man with rags.
21Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
22Hearken unto thy father that begat thee, and despise not thy mother when she is old.
22Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
23Buy the truth, and sell it not; also wisdom, and instruction, and understanding.
23Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
24The father of the righteous shall greatly rejoice: and he that begetteth a wise child shall have joy of him.
24Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
25Thy father and thy mother shall be glad, and she that bare thee shall rejoice.
25Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
26My son, give me thine heart, and let thine eyes observe my ways.
26Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;[Na: Ary aoka ny masonao handinika ny lalako]
27For a whore is a deep ditch; and a strange woman is a narrow pit.
27Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ; [Heb. vehivavy tsy vadiny]
28She also lieth in wait as for a prey, and increaseth the transgressors among men.
28Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
29Who hath woe? who hath sorrow? who hath contentions? who hath babbling? who hath wounds without cause? who hath redness of eyes?
29An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena? [Na: manjambena]
30They that tarry long at the wine; they that go to seek mixed wine.
30An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
31Look not thou upon the wine when it is red, when it giveth his colour in the cup, when it moveth itself aright.
31Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;[Heb. kapoaka]
32At the last it biteth like a serpent, and stingeth like an adder.
32Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
33Thine eyes shall behold strange women, and thine heart shall utter perverse things.
33Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.[Heb. vehivavy tsy vadiny][Na: Ny masonao hahita zavatra hafahafa, Ary ny fonao hirediredy foana]
34Yea, thou shalt be as he that lieth down in the midst of the sea, or as he that lieth upon the top of a mast.
34Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo.Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
35They have stricken me, shalt thou say, and I was not sick; they have beaten me, and I felt it not: when shall I awake? I will seek it yet again.
35Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?