1Better [is] the poor walking in his integrity, Than the perverse [in] his lips, who [is] a fool.
1Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin'ny molony sady adala.
2Also, without knowledge the soul [is] not good, And the hasty in feet is sinning.
2Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
3The folly of man perverteth his way, And against Jehovah is his heart wroth.
3Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony.
4Wealth addeth many friends, And the poor from his neighbour is separated.
4Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny sakaizany.
5A false witness is not acquitted, Whoso breatheth out lies is not delivered.
5Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
6Many entreat the face of the noble, And all have made friendship to a man of gifts.
6Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra.
7All the brethren of the poor have hated him, Surely also his friends have been far from him, He is pursuing words — they are not!
7Ny malahelo dia halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin'ny teny tsy misy izy.[Heb. manenjika teny tsy misy]
8Whoso is getting heart is loving his soul, He is keeping understanding to find good.
8Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
9A false witness is not acquitted, And whoso breatheth out lies perisheth.
9Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
10Luxury is not comely for a fool, Much less for a servant to rule among princes.
10Ny ho velona amin'ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny mpanompo ny zanak'andriana.
11The wisdom of a man hath deferred his anger, And his glory [is] to pass over transgression.
11Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
12The wrath of a king [is] a growl as of a young lion, And as dew on the herb his good-will.
12Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin'ny ahitra.
13A calamity to his father [is] a foolish son, And the contentions of a wife [are] a continual dropping.
13Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
14House and wealth [are] the inheritance of fathers, And from Jehovah [is] an understanding wife.
14Trano sy harena no lova avy amin'ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah.
15Sloth causeth deep sleep to fall, And an indolent soul doth hunger.
15Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.
16Whoso is keeping the command is keeping his soul, Whoso is despising His ways dieth.
16Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.[Na: ny fanahiny]
17Whoso is lending [to] Jehovah is favouring the poor, And his deed He repayeth to him.
17Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
18Chastise thy son, for there is hope, And to put him to death lift not up thy soul.
18Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
19A man of great wrath is bearing punishment, For, if thou dost deliver, yet again thou dost add.
19Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
20Hear counsel and receive instruction, So that thou art wise in thy latter end.
20Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin'izay hiafaranao.[Na: any aoriana]
21Many [are] the purposes in a man`s heart, And the counsel of Jehovah it standeth.
21Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.
22The desirableness of a man [is] his kindness, And better [is] the poor than a liar.
22Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
23The fear of Jehovah [is] to life, And satisfied he remaineth — he is not charged with evil.
23Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
24The slothful hath hidden his hand in a dish, Even unto his mouth he bringeth it not back.
24Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany.
25A scorner smite, and the simple acts prudently, And give reproof to the intelligent, He understandeth knowledge.
25Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
26Whoso is spoiling a father causeth a mother to flee, A son causing shame, and bringing confusion.
26Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
27Cease, my son, to hear instruction — To err from sayings of knowledge.
27Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana.[Na: Anaka, raha dia minia manalavitra ny tenin'ny fahalalana ianao, Dia mitsahara tsy hihaino anatra]
28A worthless witness scorneth judgment, And the mouth of the wicked swalloweth iniquity.
28Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.
29Judgments have been prepared for scorners, And stripes for the back of fools!
29Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.