1And Job answered and said,
1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2How long will ye vex my soul, and crush me with words?
2Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny?
3These ten times have ye reproached me; ye are not ashamed to stupefy me.
3Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
4And be it [that] I have erred, mine error remaineth with myself.
4Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako.
5If indeed ye will magnify yourselves against me, and prove against me my reproach,
5Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
6Know now that +God hath overthrown me, and hath surrounded me with his net.
6Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony.
7Behold, I cry out of wrong, and I am not heard; I cry aloud, but there is no judgment.
7Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
8He hath hedged up my way that I cannot pass, and he hath set darkness in my paths.
8Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako.
9He hath stripped me of my glory, and taken the crown from my head.
9Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
10He breaketh me down on every side, and I am gone; and my hope hath he torn up as a tree.
10Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
11And he hath kindled his anger against me, and hath counted me unto him as one of his enemies.
11Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
12His troops have come together and cast up their way against me, and have encamped round about my tent.
12Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
13He hath put my brethren far from me, and mine acquaintance are quite estranged from me.
13Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
14My kinsfolk have failed, and my known friends have forgotten me.
14Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
15The sojourners in my house and my maids count me as a stranger; I am an alien in their sight.
15Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
16I called my servant, and he answered not; I entreated him with my mouth.
16Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.
17My breath is strange to my wife, and my entreaties to the children of my [mother's] womb.
17Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.
18Even young children despise me; I rise up, and they speak against me.
18Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
19All my intimate friends abhor me, and they whom I loved are turned against me.
19Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
20My bones cleave to my skin and to my flesh, and I am escaped with the skin of my teeth.
20Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
21Have pity upon me, have pity upon me, ye my friends; for the hand of +God hath touched me.
21Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa mikasika ahy.
22Why do ye persecute me as ùGod, and are not satisfied with my flesh?
22Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko?
23Oh would that my words were written! oh that they were inscribed in a book!
23Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!
24That with an iron style and lead they were graven in the rock for ever!
24Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy!
25And [as for] me, I know that my Redeemer liveth, and the Last, he shall stand upon the earth;
25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy.[Heb. Goela][Na: ho farany]
26And [if] after my skin this shall be destroyed, yet from out of my flesh shall I see +God;
26Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho]
27Whom I shall see for myself, and mine eyes shall behold, and not another: -- my reins are consumed within me.
27Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.[Heb. voako]
28If ye say, How shall we persecute him? when the root of the matter is found in me,
28Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.[Heb. anatiko][Heb. ahy]Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
29Be ye yourselves afraid of the sword! for the sword is fury against misdeeds, that ye may know there is a judgment.
29Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.