1And Job continued his parable and said,
1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2[As] ùGod liveth, who hath taken away my right, and the Almighty, who hath embittered my soul,
2Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
3All the while my breath is in me, and the spirit of +God is in my nostrils,
3Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra.
4My lips shall not speak unrighteousness, nor my tongue utter deceit!
4Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
5Be it far from me that I should justify you; till I die I will not remove my blamelessness from me.
5Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
6My righteousness I hold fast, and will not let it go: my heart reproacheth [me] not one of my days.
6Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza.
7Let mine enemy be as the wicked, and he that riseth up against me as the unrighteous.
7Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
8For what is the hope of the ungodly, when [God] cutteth him off, when +God taketh away his soul?
8Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? [Na: Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc]
9Will ùGod hear his cry when distress cometh upon him?
9Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
10Doth he delight himself in the Almighty? will he at all times call upon +God?
10Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an'Andriamanitra mandrakariva va izy?
11I will teach you concerning the hand of ùGod; what is with the Almighty will I not conceal.
11Hampianatra anareo ny amin'ny tànan'Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin'ny hevitry ny Tsitoha.
12Behold, ye yourselves have all seen [it]; and why are ye thus altogether vain?
12Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
13This is the portion of the wicked man with ùGod, and the heritage of the violent, which they receive from the Almighty: --
13Izao no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny Tsitoha:
14If his children be multiplied, it is for the sword, and his offspring shall not be satisfied with bread;
14Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an'ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
15Those that remain of him shall be buried by death, and his widows shall not weep.
15Ny ankohonany sisa dia hasitrik'Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;[Na: halevina noho ny areti-mandringana]
16Though he heap up silver as the dust, and prepare clothing as the clay;
16Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
17He may prepare it, but the just shall put it on; and the innocent shall divide the silver.
17Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
18He buildeth his house as the moth, and as a booth that a keeper maketh.
18Manao ny tranony tahaka ny an'ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny mpiandry voly;
19He lieth down rich, but will do so no more; he openeth his eyes, and he is not.
19Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
20Terrors overtake him like waters; a whirlwind stealeth him away in the night.
20Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;
21The east wind carrieth him away and he is gone; and as a storm it hurleth him out of his place.
21Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;
22And [God] shall cast upon him and not spare: he would fain flee out of his hand.
22Asian'Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tànany izy;[Heb. Torahan', na Tifirin']Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy]
23[Men] shall clap their hands at him, and shall hiss him out of his place.
23Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy]