Darby's Translation

Malagasy

Job

29

1And Job continued his parable and said,
1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2Oh that I were as in months past, as in the days when +God preserved me;
2Enga anie ka ho tahaka ny tamin'ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro niarovan'Andriamanitra ahy!
3When his lamp shone over my head, [and] by his light I walked through darkness;
3Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;
4As I was in the days of my youth, when the secret counsel of +God was over my tent,
4Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;
5When the Almighty was yet with me, my young men round about me;
5Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;[Na: ny ankizilahiko]
6When my steps were bathed in milk, and the rock poured out beside me rivers of oil! ...
6Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
7When I went out to the gate by the city, when I prepared my seat on the broadway,
7Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,
8The young men saw me, and hid themselves; and the aged arose [and] stood up;
8Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
9Princes refrained from talking, and laid the hand on their mouth;
9Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
10The voice of the nobles was hushed, and their tongue cleaved to their palate.
10Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.
11When the ear heard [me], then it blessed me, and when the eye saw [me], it gave witness to me;
11Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
12For I delivered the afflicted that cried, and the fatherless who had no helper.
12Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
13The blessing of him that was perishing came upon me, and I caused the widow's heart to sing for joy.
13Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko.[Heb. nampihobiko]
14I put on righteousness, and it clothed me; my justice was as a mantle and a turban.
14Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
15I was eyes to the blind, and feet was I to the lame;
15Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa.
16I was a father to the needy, and the cause which I knew not I searched out;
16Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
17And I broke the jaws of the unrighteous, and plucked the spoil out of his teeth.
17Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
18And I said, I shall die in my nest, and multiply my days as the sand;
18Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
19My root shall be spread out to the waters, and the dew will lie all night on my branch;
19Ny fakako ho azon'ny rano, ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina.
20My glory shall be fresh in me, and my bow be renewed in my hand.
20Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
21Unto me they listened, and waited, and kept silence for my counsel:
21Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy.
22After my words they spoke not again, and my speech dropped upon them;
22Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan'ny teniko izy.
23And they waited for me as for the rain, and they opened their mouth wide as for the latter rain.
23Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
24[If] I laughed on them, they believed [it] not; and they troubled not the serenity of my countenance.
24Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
25I chose their way, and sat as chief, and dwelt as a king in the army, as one that comforteth mourners.
25Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.