1Knowest thou the time when the wild goats of the rock bring forth? dost thou mark the calving of the hinds?
1Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?
2Dost thou number the months that they fulfil? and knowest thou the time when they bring forth?
2Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? [Heb. ny volana taperiny]
3They bow themselves, they give birth to their young ones, they cast out their pains;
3Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
4Their young ones become strong, they grow up in the open field, they go forth, and return not unto them.
4Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
5Who hath sent out the wild ass free? and who hath loosed the bands of the onager,
5Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,
6Whose house I made the wilderness, and the salt plain his dwellings?
6Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
7He laugheth at the tumult of the city, and heareth not the shouts of the driver;
7Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;
8The range of the mountains is his pasture, and he searcheth after every green thing.
8Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
9Will the buffalo be willing to serve thee, or will he lodge by thy crib?
9Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?
10Canst thou bind the buffalo with his cord in the furrow? or will he harrow the valleys after thee?
10Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
11Wilt thou put confidence in him, because his strength is great? and wilt thou leave thy labour to him?
11Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
12Wilt thou trust him to bring home thy seed, and gather it into thy threshing-floor?
12Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
13The wing of the ostrich beats joyously -- But is it the stork's pinion and plumage?
13Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
14For she leaveth her eggs to the earth, and warmeth them in the dust,
14Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,
15And forgetteth that the foot may crush them, or that the beast of the field may trample them.
15Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
16She is hardened against her young ones, as though they were not hers; her labour is in vain, without her concern.
16Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
17For +God hath deprived her of wisdom, and hath not furnished her with understanding.
17Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
18What time she lasheth herself on high, she scorneth the horse and his rider.
18Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
19Hast thou given strength to the horse? hast thou clothed his neck with the quivering mane?
19Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
20Dost thou make him to leap as a locust? His majestic snorting is terrible.
20Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!
21He paweth in the valley, and rejoiceth in [his] strength; he goeth forth to meet the armed host.
21Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.[Heb. fiadiana]
22He laugheth at fear, and is not affrighted; neither turneth he back from before the sword.
22Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra.
23The quiver rattleth upon him, the glittering spear and the javelin.
23Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.[Heb. tranon-jana-tsipìka]
24He swalloweth the ground with fierceness and rage, and cannot contain himself at the sound of the trumpet:
24Miriotra mafy amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara. [Heb. Mitelina ny tany][Na: Tsy mino izy fa feon'ny anjomara izany]
25At the noise of the trumpets he saith, Aha! and he smelleth the battle afar off, the thunder of the captains, and the shouting.
25Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.
26Doth the hawk fly by thine intelligence, [and] stretch his wings toward the south?
26Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
27Doth the eagle mount up at thy command, and make his nest on high?
27Noho ny didinao va no iakaran'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
28He inhabiteth the rock and maketh his dwelling on the point of the cliff, and the fastness:
28Eny amin'ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana.
29From thence he spieth out the prey, his eyes look into the distance;
29Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.
30And his young ones suck up blood; and where the slain are, there is he.
30Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.